Actualités

RAHARAHA HAFARI MALAGASY Hivoaka ny 28 febroary ny didim-pitsarana


  • Alarobia 22 Febroary 2017

Niakatra fitsarana omaly ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina taorian’ny dimy volana mahery nampidirana am-ponja azy vonjimaika teny amin’ny fonjaben’Antanimora.

  Tsy nahazo fahafahana vonjimaika izy na dia efa nangataka hatramin’ny ela aza. Zava-dehibe kosa dia ny fahafantarana fa hivoaka ny alarobia 28 febroary ho avy izao ny didy. Raha tsiahivina, ilay raharaha fitazonan’olona an-keriny io mbola hitazonan’ny fitsarana an-dRafanomezantsoa Jean Nirina io. Araka ny vaovao niely tamin’ny fandrenesam-peo teto an-drenivohitra  omaly anefa dia efa nanatsoaka ny fitoriany ilay renim-pianakaviana lasibatra  ary vonona ny hanao ny taratasy mihitsy raha toa ka ilaina. Andrasana izay mety ho fivoaran’ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT