Actualités

Raharaha Fréquence Plus Tsy misy tohiny ireo fitoriana natao


  • Alakamisy 20 Mey 2010

Nanao fitoriana teny amin’ny Fitsarana ireo niharan’ny herisetra teny amin’ny radio Fréquence Plus ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy tohiny anefa ity fitoriana ity. Nisy ihany koa, araka ny fantatra, ny fitoriana natao teny amin’ny zandary teny Ankadilalana. Hatramin’izao anefa dia toa nirava maina avokoa izany.

Dia sanatria ve hitovy amin’ilay tranga teny Ambohibao vao tsy ela akory izay ity raharaha ity. Tamin’io mantsy dia FIS telo be izao no saika haka an-keriny vola tamina teratany vahiny iray. Nanaiky ilay vazaha saingy sady nampandre ny mpitandro ny filaminana. Tamin’ny fotoana iray no nataony tamin’ireo FIS sy ny mpitandro ny filaminana. Noraisim-potsiny ireo FIS tamin’io satria efa nanantena ny hahazo vola kinanjo mpitandro ny filaminana no tonga. Ny niafaran’ity rahahahra ity anefa dia nampitahorin’izy ireo ilay teratany vahiny mba hanatsoaka ny fitoriany. Ny tena moa vahiny sady mpitandro ny filaminana no mampatahotra ka dia nanaiky tsy fidiny izy. Poa toy izay ihany koa dia tsy nisy tohiny ity resaka ity fa afaka madiodio ireo FIS telo. Tsy maty manota eh ! Zanak’i dadafara, hono, hoy ny olona nanaraka akaiky iny raharaha iny, izay nanohy fa mihevitra angamba ireo FIS ireo fa ho eo mandrakizay ilay lazainy fa dadafara. Mitana ny sain’ny maro foana ity raharaha ity na izany na tsy izany. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT