Taorian’ny tranga teny amin’ny radio Fréquence Plus ny 15 mey dia tsy nisy resaka intsony izany hatramin’izao.
Tamin’io fotoana io dia olona telo no naratra ary vehivavy mpanao gazety ny iray, izay tapa-tànana mihitsy, niampy teknisianin’ny radio roa hafa naratra. Tokony tamin’ny roa ora nandritra ny fivahinianana tao amin’ity onjampeo ity ny mpanao politika vitsivitsy no tonga tamin-kery ny olona manao fanamiana sivily mitondra basy sady nanapoaka izany.
Taorian’izay dia nopitsohin’izy ireo ny varavarana miditra tao anatiny ka izay olona nifanena tamin’ireo olona nitondra basy ireo dia voaratra mafy avokoa satria tao ny voavelin’ny vodi-basy, tao ny voadaka. Potika ny fitaovan’ny radio nandritra izany, ary niato nandritra ny 48 ora teo ny fandaharana vokatr’izany. Taty aoriana vao nanazava ny kolonely Ravalomanana Richard na dia sarotra ihany aza ny toerany fa mpitandro ny filaminana ireo ary misy didy fampisamborana an-dRavonison Ambroise na i Tonton Ambroise ka izay no nahatongavan’izy ireo tao.
Nigadra avy eo i Tonton Ambroise ary efa afaka ary any Frantsa efa herinandro izao. Tsy nisy nahita hatramin’izao ilay voalaza fa didy fampisamborana azy tamin’io fotoana io. Nametraka fitoriana ny Fréquence Plus taorian’izay na teny anivon’ny Fampanoavana na teny amin’ny zandary. Hatramin’izay ka hatramin’izao anefa dia tsy nisy tohiny intsony ity fitoriana ity. «Tamin’ilay resaka fisamborana an’i Ambroise no niantsoana anay nanaovana famotorana dia izay ihany hatramin’izao», hoy ny tompon’andraikitra iray teo anivon’ity onjampeo Fréquence Plus ity.
Araka ny tsilian-tsofina heno dia misy manana andraikitra ao amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny sasany amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity onjampeo ity ka nahazo toromarika tamin’ny lehibeny izy ny amin’ny tsy tokony hanohizana ity raharaha ity intsony. «Taigna samy taigna koa».
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.