Actualités

Raharaha Fréquence Plus “Efa resaka jiolahim-boto no atao eto”, hoy ny kolonely maro


  • Talata 18 Mey 2010

Ahiana mihitsy ny mety hisian’ny fifandonana eo amin’ny samy miaramila raha ireny zava-nitranga ny sabotsy 15 mey ireny.

Kolonely sy lietna kolonely maromaro no nifamory omaly ary samy tezitra avokoa manoloana ny zava-nitranga tao amin’ny Fréquence Plus iny. Taorian’izay moa dia nilaza ny sasany tamin’izy ireo fa tena resaka jiolahim-boto tanteraka mihitsy iny natao tao amin’ity Radio ity iny. Misy farany avokoa ny zava-drehetra, hoy izy ireo sady hita tena niakatr’afo daholo. Ny kolonely Ravalomanana moa nilaza fa mpitandro ny filaminana ireo nefa tsy nety nilaza mihitsy hoe avy aiza. Tsy Emmo Reg aloha, hoy izy. Ireo niharan’ny herisetra kosa dia samy nahamarika fa mamomamo ireo mpanafika ary mena maso be daholo. Ny mpanao gazety maro omaly raha nivory dia tapa-kevitra fa hanaraka akaiky ny famotorana ity raharaha ity. Nangataka ny hanomezan’ny manampahefana fanazavana marina mikasika azy iny ny Collectif des Journalistes de Madagascar ka nitarika famotehana ny fitaovan’ny onjam-peo ary koa nandratrana mpanao gazety sy ny mpiasa tao. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT