Actualités

Raharaha Free news Feno tsy fanarahan-dalàna, hoy ny mpisolovava


  • Zoma 23 Jona 2017

Nalain’ny avy eo anivon’ny biraon’ny polisy misahana ny heloka bevava am-bavany etsy Anosy omaly maraina ny talen’ny famoahan’ny gazety Free news, Haja Rasoanarivo sy ny tonian-dahatsoratr’izy ireo, Toky Ravaroson.

 Ny filohan’ny antenimierandoholona, Honoré Rakotomanana no nametraka ny fitoriana ny gazety noho ilay resaka fanamboarana tranobe etsy Ambatomirahavavy. Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna nitranga omaly, hoy ny mpisolovava ny gazety. Ny mahazatra dia ny eo anivon’ny Sécurité Urbaine de Tananarive ( SUT) na ny polisy etsy amin’ny faritany no manao fanadihadiana fa tsy ny polisy misahana ny heloka bevava. Voalaza mazava ao amin’ny andininy faha-32 ao anatin’ny lalàna mifehy ny serasera koa fa ny talen’ny famoahana ihany no tokony ho nampanantsoina. Rehefa tsy eo ilay voalohany vao hantsoina ny tonian-dahatsoratra. Ny talen’ny famoahana ihany koa no tokony ho niditra aloha. Araka ny fampitam-baovao hatrany moa dia anio no hahazo fampiantsoana koa ny tompon’andraikitra voalohan’ny gazety, ary tsy mifanaraka amin’ny lalàna hatrany izany, hoy ity mpisolovava ity.


Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT