Mbola misarika ny sain’ny maro ny raharaha FIGN izay nahafatesana miaramila sy sivily sy mpitondra fivavahana.
Ny nanaitra ny maro dia tsy nandrenesam-peo momba iny raharaha teny Fort Duchesne iny i Andry Rajoelina, nangina ihany koa ny Prefen’Antananarivo. Betsaka no manontany hoe, inona no ataon’ny fitsarana manoloana ny raharaha 20 mey teny Fort Duchesne ? Nisy ny voafonja, naratra ary maty nandritra ny fitifirana teny. Tsy vitsy no nampitaha iny raharaha iny tamin’izay nitranga ny 7 febroary 2009, izay mitovy tsy misy valaka satria samy fiarovana ny andrim-panjakana no natao. Tamin’ny 7 febroary 2009, dia notondroin’ny mpanao politika ho mpanongam-panjakana ny TGV tarihin’i Andry Rajoelina sy Monja Roindefo. Tamin’ny 20 mey 2010 dia mpitondra fivavahana sy ny FIGN no notondroina ho mpanongam-panjakana. Raha ny toerana indray, Ambohitsorohitra izay lapam-panjakana voafefy ho an’ny 7 febroary 2009 ; tany malalaka teny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina kosa ny 20 mey 2010. Raha ny mpitandro filaminana indray dia Garde présidentielle sy ny Emmo-Nat no resaka tamin’ny 7 febroary 2009 raha ny FIS sy ny Emmo-Reg mitambatra kosa no niseho ny 20 mey 2010. Ny zava-nisy : an-daniny, nirohotra haka ny lapam-panjakan’Ambohitsorohitra ny olona avy eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. An-kilany, nivory nanao fotoam-pivavahana eo amin’ny toerana malalaka ny olona teny Mausolée.
Tsy hita ny Prefen’Antananarivo na dia efa nantsoina aza ny marainan’ny sabotsy 07 febroary 2009, nangina tsy nandrenesam-peo kosa ny Prefen’Antananarivo ankehitriny ny 20 mey 2010. Nisy sakana miisa 3 nataon’ny Emmo-Nat teo amin’ny Hotel du Louvre, Banky Foiben’i Madagasikara ary teny amin’ny Paositra Antaninarenina tamin’ny taon-dasa. Nalalaka tsy nisy sakana kosa tamin’ny alakamisy 20 mey. Nisy ny fampitandremana sy ny fifampidinihana ny 7 febroary 2009 ; ny mifanohitra amin’izay kosa no tsikaritry ny olona teny Fort Duchesne. Voafaritra ny toerana tsy azo aleha satria faritra mena teny Antaninarenina. Toerana tsy voarara ary niantsoan’ny mpitandro filaminana ny vahoaka hivavaka kosa no teny Mausolée. Antaninarenina : namaky barazy ny olona ary nibosesika hiditra tao amin’ny faritra voarara. Mausolée : tsy nihetsika teo amin’ny toerany ny olona nanohy ny vavaka. Rehefa izay dia niaro ny lapa ny mpiambina teo Ambohitsorohitra ny 07 febroary 2009. Tsy nisy toerana narovana fa nitifitra sy nanampatra ny heriny ny Emmo-Reg sy ny FIS teny Avaratr’Ambohitsaina. Nisy fifamaliana tifitra avy tamin’ireo vahoaka nirohotra sy ny mpiambina ny lapa teny Ambohitsorohitra ; tsy nisy valaka tamin’izany saingy nisy fifamaliana tifitra teo amin’ny samy mpitandro filaminana teny Mausolée.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.