Miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy ny Ben’ny tanànan’i Brickaville nanomboka ny 10 aogositra teo. Resaka fivadiham-pitokisana sy fanodinkodinana zavatr’olona napetraka tao aminy no anenjehan’ny fitsarana azy ankehitriny, fa tsy misy aloha raharaha mahakasika ny maha Ben’ny tanàna azy amin’ny fitantanana ny Kaominina ao Brickaville.
Raha ny fanazavana azo, nisy izany fikambanana manao asa fanampiana tantsaha izany miasa eo anivon’ny Kaominina Brickaville sy ny manodidina. Nitondra zezika sy masomboly fanampiana ny tantsaha ny fikambanana ary tonga teo anivon’ny Ben’ny tanàna hitady fiaraha-miasa amin’ny trano hametrahana ny entana. Tsy nisalasala ny Ben’ny tanàna ka nampindrana ny tranon’ny Kaominina iray tsy miasa sy tsy misy mpipetraka tao an-tanàna, izay tsy nandalo fankatoavan’ny mpanolotsaina sy ny distrika akory, na tokony hanaovana izany satria fananam-bahoaka fa tsy an’ny Ben’ny tanàna manokana ilay trano. Nisy fotoana, nisy namaky ilay trano ka nanjavona tao avokoa ny zezika sy ny masomboly rehetra natao hanampiana ny tantsaha, dia nanomboka teo ny raharaha. Tsy nahita olona henjehina ny tompon’entana fa ny Ben’ny tanànan’i Brickaville nanome ny trano avy hatrany no nifatraran’ny fitoriana satria izy no nanome ny trano ary mbola izy ihany koa ankoatra ireo tao anaty fikambanana no mahalala fa misy ity zezika sy masomboly ity ao.
Tonga teny anivon’ny zandary Brickaville ny raharaha. Tsy nijanona teo anefa fa niakatra Bianco mihitsy dia izao nivoaka izao ny didin’ny fampanoavana mpanenjika sy ny mpitsara mpanao famotorana mpanao fanadihadiana izao, fa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy ity Ben’ny Tanàna ity. Fantatra anefa izao, fa any amin’ny faramparan’ny volana aogositra 2010 any no hanaovana ny fitsarana ity raharaha ity, ka ho hita eo na hisy ny rariny ho azy na tsia, fa hatramin’izao aloha dia mandà ny fanaovana ny vaky trano nahatonga ny entana very ity Ben’ny tanàna ity sy ny fianakaviany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.