Actualités

Raharaha FIS Nahazo fahafahana ilay nosamborin’ny tarik’i Lylison


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

Omaly no natolotra ny Fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ilay polisy niasa tao amin’ny FIS izay voalaza fa anisan’ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana araka ny voalazan’ny lietnà kolonely Lylison tamin’ny haino aman-jery.

Ny zoma teo ity olon’ny FIS ity no nosamborin’ny tariky ny kolonely Lylison rehefa tafiditra tamin’ny vela-pandrik’izy ireo. Polisy ity voasambotra ity. Saika hisambotra olona mpanao aferana rongony no anton-diany teny Antanimora. Tamin’io fotoana io anefa dia efa teny an-toerana ny FIS avy eny Ambohitsorohitra hisambotra azy. Rehefa voasambotra izy dia nanao valandresaka avy hatrany ho an’ny mpanao gazety teny Ambohitsorohitra ny kolonely Lylison. Nilaza izy tamin’io fa misy 8 ireo FIS teo aloha izay voarohirohy amin’ity fanafihana tranon’olona ity ka roa no voasambotra. Izy ireo dia any amin’ny lehiben’ny FIS teo aloha no mialokaloka, hoy ihany izy. Ny nahavariana dia polisy iray ihany no voatana teny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava teny Fiadanana tamin’io zoma io. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ary avy hatrany dia noraisin’ny mpitsara mpanao famotorana. Nomen’izy ireo fahafahana taorain’izay ilay polisy ka amin’ny 6 oktobra no fotoam-pitsarana ny raharaha. Niditra ankeriny tao an-tranon’olona tsy nahazoana alalana moa no vesatra nanenjehana ity polisy ity na dia voalazan’ny kolonely Lylison tamin’ny haino aman-jery aza fa fanafihana mitam-piadiana no nataony. Raha izay no zava-misy dia ny misambotra olona izay tiany hosamborina izany no ataon’ny FIS tahaka ity nitranga teny Antanimora tamin’ny herinandro ity. Porofon’izany dia izao nomen’ny mpitsara fahafahana izao ilay olona. Na ny Fampanoavana na ny mpitsara mpanao famotorana dia samy namoaka izay fahafahana izay avokoa. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT