Actualités

Raharaha FIGN Tsy mbola hita ny lietna kolonely Andrianjafy Raymond


  • Talata 25 Mey 2010


Nahoraka an-gazety ny faran’ny herinandro teo fa efa eo am-pelatanan’ny sampam-pikarohana ny heloka bevava ny lietna kolonely Andrianjafy Raymond, izay nitarika ny hetsiky ny FIGN. Mifamahofaho be ihany ny resaka ankehitriny : nitolo-batana, natolotra ny zandary tao amin’ny Toby Ratsimandrava, tratra … Araka ny loharanom-baovao anefa dia tsy mbola tratra ity manamboninahitry ny zandary ity.

Taorian’ny fifampitifirana teny amin’ny toby Fign ireny dia nilaza ny Emmo-Reg ny ampitso fa efa eo am-pelatanan’ny zandary ity manamboninahitra ity. Raha ny vaovao voamarina anefa dia manamboninahitra avy amin’ny tafika maromaro no naka ity kolonely ity teny an-toerana ka nitondra azy avy hatrany teny amin’ny toby miaramila RFI Ivato. Nihitsoka teo ny raharaha. Ny RFI rahateo efa niandry ary efa nisy mihitsy aza ny resaka nivoaka fa miandry ny Emmo-Reg izy ireo raha toa ka sahy hanafika ny RFI indray ireto farany.
Hatramin’ny nanoratana ity lahatsoratra ity dia tsy mbola fantatra hatreto na mbola ao amin’ny RFI ny kolonely Raymond na tsy ao intsony. Ny azo antoka dia tsy manaiky ny hanolorana azy ireo "anciens SEMIPI". Raha izay no izy dia mety ho resaka natao mba hampitoniana ny saim-bahoaka no antony nilazana fa efa tratra izy araka ny vaovao nampitaina an-gazety navoakan’ny sampana serasera avy amin’ny zandary ny zoma 21 mey teo.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT