Actualités

Raharaha FIGN Mbola tantara mitohy


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny talata teo ny kolonely Ralaibeza izay nisolo ny toeran’ny kolonely Raymond taorian’ireny tranga teny amin’ny FIGN, ny alakamisy 20 mey ireny. Nisy manamboninahitra roa voarohirohy tamin’ity raharaha ity ihany koa voantso teny amin’ny sampana fikarohana ny heloka bevava ho an’ny zandary teny Fiadanana.

Rehefa natolotra ny Fampanoavana ny raharaha niaraka tamin’ny kolonely Raymond dia anisan’ireo nentina teny ihany koa ireo manamboninahitra roa ireo.

Tsy nisy nidiran’izy ireo anefa ity raharaha ity araka ny fantatra satria ny iray amin’izy ireo dia tsy teny amin’ny FIGN tamin’io fotoana io ary mipetraka ivelan’ny toby. Ny iray kosa dia niaraka tamin’ny jeneraly Zafera hatrany fa tsy nitovy hevitra tamin’ny kolonely Raymond. Nanome taratasy ny Fampanoavana mihitsy moa ny jeneraly Zafera manamarina izany rehetra izany. Gaga anefa ity jeneraly ity fa naiditra am-ponja eny Tsiafahy ireo manamboninahitra roa ireo. Ilay kolonely afak’omaly dia mbola tahaka izay ihany saingy tsy voakitika mihitsy izy tany amin’ny famotorana tany am-boalohany. Nanaitra ny maro anefa ny nandre, omaly, fa izy dia anisan’ireo manamboniahitra roa naiditra am-ponja ny talata alina. Noho izany rehetra izany dia ahiana ny hitaran’ity raharaha ity satria voalaza fa samy olona teo akaikin’ny jeneraly Zafera avokoa ireo naiditra am-ponja ireo. Hatramin’ny ora farany nialan’ny jeneraly Zafera tao amin’ny FIGN aza io alakmisy 20 mey io dia niaraka taminy ihany koa ireto manamboninahitra ireto. Ho hita eo ny tohiny!
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT