Tsy nijanona hatreo amin’ny fampidirana am-ponja ny Kolonely Raymond Andrianjafy sy ny tariny akory ny raharaha FIGN. Mbola tena mandavaka tanteraka amin’izao fotoana izao ireo zandary etsy Ankadilalana.
Raha ny fantatra dia tsy avelan’ireo ho afa-maina izay rehetra hita teny an-toerana tamin’io fotoana io fa hohadihadiana avokoa, indrindra fa ny mpanao politika sy ireo mpitondra fivavahana izay nitsoaka ny maromaro fa matahotra ny hohadihadiana. Maromaro ny pasitera izay kendrena hosamborina saingy iray no tena hataon’ny zandary laharam-pahamehana. Io farany dia nilaza ho nahita ilay sivily izay nitifitra ny pasitera Rivo tao anatin’ny tobin’ny FIGN tamin’io andron’ny 20 mey io ihany. May volon-tratra ny Emmo-Reg amin’ny fitadiavana azy io. Mba entiny hanadiovana ny tenany ? Mihamafana andro aman’alina mantsy, indrindra eo anivon’ny Fjkm ny fahafatesan’io mpitondra fivavahana io.
Efa tonga hatramin’ny fampatsiahivana isaky ny mandeha ny anarany sy ny fomba nahafaty azy, ao anatin’ny vaovaom-piangonana aza. Momba iny raharaha iny hatrany dia fantatra fa miompana amin’ny fikarohana izay tompon’ny fiara nampiasain’ny olon’ny Kolonely Raymond koa ny fanadihadiana ankoatra ny fitadiavana ireo mpitondra fivavahana. Izay no antony nahatafiditra an’i Henri Lecacheur tao anatin’ny raharaha ka nandefasana taratasy fampiantsoana azy. Voaporofo mantsy fa fiarany ilay teny Mausolée tamin’io fotoana io. Novaina nomeraon’ny zandary fotsiny anefa mba tsy hahalalana azy. Manoaloana izany dia ny an’i Lecacheur no nataony tonga aloha. “Nindrana fiara tamiko ny Kolonely Raymond mba hifindrany any Fianarantsoa, araka ny teniny, toerana izay namindran’ny zandary toerana azy (affectation)” raha araka ny taratasy nalefany ho an’ny lehiben’ny Emmo-Reg sy ny ao amin’ny tonian’ny Fampanoavana ihany koa, raha ny fantatra. Mazava izany izao fa tsy amelan’ny FAT hatramin’ny farany ireo izay rehetra teny an-toerana. Na mpanao palitika, na olom-piangonana na koa ny tompon’ny fiara. Mbola ho tantara lava ity raharaha ity…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.