Actualités

Raharaha “Cohen Rivolala” Namaly an-gazety ilay tovovavy nitory


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Nampiantso mpanao gazety teny Ankazotokana omaly talata 23 oktobra ilay tovovavy nifankatia tamin’i Cohen Rivolala taloha sy Rtoa reniny.

 Ambaranay etoana, hoy izy ireo, fa tsy fanosoram-potaka mihitsy akory ny antony nitorianay azy fa misy lafin-javatra efatra mazava tsara, dia ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona, fampijaliana miaro herisetra, firaisana tsikombakomba tamin’ny olona nampirisihana hanolana ny tena, ary firaisana tsikombakomba hanaovana fanalan-jaza tamin’ny dokotera iray. Malahelo izahay tamin’ny didim-pitsarana nivoaka ka nahazoany fahafahana vonjimaika tao amin’ny fampanoavana, hoy izy mianaka ireto, izay nilaza fa “aoka hampanjakana ny fahamarinana, aoka aseho ny marina rehetra”.

Nitantara tamin’ny mpanao gazety ny fiainam-pitiavana niarahany tamin’ity olon-tiany nohasoasoaviny taloha ity izay nanjary ampangainy ho mpaminany sandoka ankehitriny Ramatoakely. Raha atao bango tokana dia nisy tsy fifampitokisana teo amin’ny roa tonta na dia efa niara-nipetraka aza izy ireo ary natao vadin-karana tsy nahazo nivoaka ny trano mihitsy Ramatoakely nandritra ny fotoana naharitra.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT