Samy mametra-panontaniana ny olom-pirenena sy ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao hoe mba manao ahoana ny rahahara Claudine Razaimamonjy ? Tsy misy resaka sy tsy misy tohiny intsony, ary tsy misy mangarahara hantenaina fa efa naman’ny mivalona tanteraka.
Ny 12 jona no naiditra teny Antanimora izy, taorian’ny nijanonany teo amin’ny hopitaly HJRA nandritra ny fotoana naharitra, taorian’ny nadroahan’ny fanjakana Maorisianina azy na dia tafaporitsaka tany ivelany noho ny tsikombakomba maloto aza. Voalaza fa efa maromaro ireo minisitra sy tompon’andraikitra nalain’ny Bianco am-bavany noho iny fivoahana tsy ara-dalàna iny. Nalefa tany amin’ny fonjan’i Manjakandriana indray ny 15 jona, ka vao mainka nampanano sarotra ny famantarana ny marina hoe tena migadra sa efa naman’ny votsotra ? Mbola eto Madagasikara sa efa any ivelany ? Tombanana ho efa tsy any am-ponja intsony ity mpandraharaha ity amin’izao fotoana. Nandritra ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena rahateo no re, araka ny loharanom-baovao iray, fa tsy tao amin’ny fonja nitazonana azy tao Manjakandriana izy. Tsy misy marina hantenaina hipoitra na dia miandry aza ny rehetra hoe rahoviana no hotsaraina ? Manao ahoana ny tohin’ireo dosie hafa ? Ny mpanao gazety aza arirarira tanteraka, kanefa ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason mihitsy no nilaza fa tsy raharaham-panjakana io fa raharaha tsotra. Ka inona no antony hanomezana tombondahiny foana ity ramatoa ity sy ny tsy famoahana ny marina ho fanta-bahoaka toy ny raharaha rehetra ? Mbola maro amin’ireo tandapa no miaro fatratra azy, saingy mety ho kihon-dalana lehibe ny fisian’ny fanovana governemanta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.