Mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa hakatona hatreo ny dosie mikasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Tsikaritra ho tsy mahomby ny fanohizana ny fanenjehana azy na dia miezaka manamafy aza ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) fa tsy maintsy hampiharina ny tany tan-dalàna. Toa tsy afa-manoatra anefa ny fitsarana manoloana izany, fa toa lany andro amin’ny fanambarana isan-karazany.
Na ny Bianco aza dia efa tsy toy ny taloha intsony ny fanambarana sesilany maneho fahavononana hijoro sy tsy hanaiky lembenanana amin’ny tsindry isan-karazany. Tena tsy azo hivalozana ve ny tsindry avy amin’ny mpitondra na ny sehatra hafa miaro an’i Claudine Razaimamonjy sa kosa efa nisy tsy nahatanty ny mena miraviravy, ka nandray volabe ho setrin’ny fanatsaharana ny fanenjehana an’ity ramatoa ity. Raha ny siosion-dresaka mivoaka amin’izao fotoana izao dia volabe tsy toko tsy forohana no hatobaka amin’ fanatsaharana ny fanenjehana an’i Claudine Razaimamonjy, ka havalona hatreo ity dosie ity. Tsiahivina fa ny 7 mey no nivoaka ny didy fampidirana azy am-ponja vonjimaika noho ny raharaha kolikoly hatrany amin’ny 500 000 000 ariary ankoatra ireo dosie nambaran’ny Bianco fa mbola hanaovana fanadihadiana. Tsy mbola nanitsaka ny tokonan’ny fonja anefa izy na dia tapitra ny 21 mey lasa teo aza ny 45 andro voafaritry ny lalàna hahafahan’ny olona iray voatazona am-ponja hahafahany mitsabo tena ety ivelany, araka ny didim-pitondrana laharana 4673/60 tamin'ny 10 septambra 1960. Efa feno 58 andro androany izay fotoana nitsaboany tena izay saingy tsy mbola fantatra akory ny tohiny hoe fananganana komity handinika ny fahafahany mijanona any am-ponja na tsia, izay efa nokihanin’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) satria na io komity io aza dia nambara fa nanangan-tena ary miandany aminy. Nilaza ny ho vonona hananganana komity manokana hanamarina ny momba ny fahasalamany na ny « Contre-expertise » ny minisiteran’ny fitsarana mba tsy hihainoana ny feon-dakolosy tokana avy amin’ny mpitsabon’ny HJRA, saingy tsy nisy izany hatreto. Raha tena misy marina izay fihenjanana amin’ny fampiharana ny tany tan-dàlana, ary tena mihenjana amin’izany ny Bianco, ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana, ny fanjakana,… izay samy milaza fa vonona hanafoana ny tsy maty manota, dia efa ela no nampiharina ny lalàna fa tsy voahitsakitsaka tahaka izao. Tsy manana fananetanana intsony mpanara-baovao hoe hizaka ny saziny ity ramatoa ity, ka ny andrasan’ny rehetra dia ny hanambarana amin’ny fomba ofisialy fa tapitra hatreo ny fanenjehana, izay porofon’ny fampanjakana ny tsy maty manota.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.