Tantara mitohy tsy misy farany hatreto ny raharaha mahasaringotra ny mpandraharaha Claudine Razaimamonjy.
Miteraka adihevitra sy mampikorontana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy ny tsy fampiharana lalàna amin’ity mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ity hatramin’ny volana aprily 2017. Mihenjana tanteraka rahateo ny tady eo amin’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara. Teboka fototra mampifanolana ny roa tonta moa ny fizirizirin’ny fitondrana mahefa mandà an-kitsirano ny famonjana io olona tena akaikin’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina io. Hafa kosa ny fomba fijerin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Andrianarivo Harimampianina Razakarivelo izay voafidy tao Ambositra. Tsy tokony hijanona amin’ny fampidirana am-ponja na tsia ny voarohirohy satria kolikoly fanodinkodinam-bolam-bahoaka mantsy ny resaka, araka ny fanamarihany. Midika izany fa maro ireo mpiray tsikombakomba eo anivon’ny minisitera na sampandraharaham-panjakana amin’ity raharaha ity. Soso-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena depioten’i Madagasikara avy ao Ambositra moa ny firosoana lalina kokoa amin’ny fanadihadiana ahafantarana ny tena marina. Tsy afaka nahazo tsenam-panjakana samirery tokoa Ramatoa Claudine Razaimamonjy fa tsy maintsy nisy tompon’andraiki-panjakana nanampy azy tao na niray tsikombakomba aminy. Tsy vitan’izay fa mila fanadihadiana lalina ihany koa ny fivezivezin’ny vola nampiasainy tamin’ireo banky misy eto na ny loharanom-bola hafa mety nampiasainy.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.