Miteraka resabe ao an-drenivohitr’i Boeny ny fahambangam-bola mihoapampana amin’ny kaontin’ireo mpikambana nanana tahirim-bola betsaka tao amin’ny Caisse d’Epargne ao an-toerana.
Mpanjifa dimampolo mahery any no lasibatra tamin’izy ity, ary an-tapitrisany maro rehefa natotaly ny volana no nanjavona. Maro no nandraiki-nanavy, niteraka disadisa tao an-tokantrano nentin’ny tsy fifampatokisana. Mampiahiahy ny mpanjifa ao ny antony mahatonga izany satria raha tsy tambajotra tsy ho afaka manatanteraka azy. Na ny fanadihadiana manodidina azy ity aza, mihisatra be ihany mba tsy hilazana fa mangingina. Eo no mandeha ny feo fa misy mpitondra ambony amin’izao fitondrana FAT izao tafiditra amin’ity raharaha ity. Araka ny fantatra aza dia tsara mpiaro ny olona karohina ho nahavanona ity vola nanjavona ity. Mitoetra eo amin’ny famenoana sy fanaovan’ny mpandray vola sonia taratasy tsy misy soratra (singature à blanc) roa ankoatra ilay «livret» na bokim-bola maha mpikambana, ny ahiahin’ny olona. Ireo efa mpandray vola eny amin’ny Caisse d’Epargne ao Mahajanga dia mahalala io tranga io. Ankoatra ny sonia dia manamarika mialoha fa voaray ny vola ilay mpikambana, na tsy eny am-pelantanany aza ny vola halaina. «Rehefa azo indray ny vola dia ny ‘livret’ ihany no miverina aty aminay fa tsy misy taratasy fanamarinana hafa», hoy ny fanamarihan’ity renim-pianakaviana iray, naneho ny hagagany tamin’ny trangan-javatra tsy mahazatra azy ity.
Mpilalao fanatanjahantena diso fantatra no ahiahiana ho anisan’ny mpiray tendro amin’ity raharaha ity. Mampitombo ny ahiahin’ny olona aminy ny tsy maha ao an-toerana azy tampotampoka teo rehefa nanomboka resahina ary nivoaka an-gazety ity zava-nitranga tao amin’ny Caisse d’Epargne Mahajanga ity. Manampy izay, araka ny loharanom-baovao ihany, ny fizarazarany ny ankamaroan’ny fananany, toy ireny ny olona tsara sitrapo ireny, ary ny nahazoany fiara avo lenta izay sady nanaitra ireo mahafantatra azy no mampiahiahy ny olona ihany koa. Fantatra anefa fa akaiky mba tsy hilazana fa manana rohim-pihavanana amina mpitondra ambony ity mpanao fanatanjahantena ity ka toa mampanano sarotra ny asan’ny mpitandro ny filaminana, fa tratry ny mena ambanin’ny mena. Izay tokoa angamba ilay fanovana sy fiovana tadiavina teto. Na izany aza dia fantatra fa tsy manaiky lembenana ireo tompom-bola, re koa anefa fa tonga hatrany amin’ny fandrahonana tompon’andraikitra eo anivon’ny Caisse d’épargne ny raharaha ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.