Samy niezaka ny nandamina ny raharaha Caisse Acoa, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, ny Fitsarana Toamasina, ny distrika Toamasina I, ary ny Ben’ny tanŕnan’i Toamasina renivohitra, nefa hatramin’izao dia tsy hita be ihany ny raharaha fa vao mainka mikorontana sy mifaningotra ka saro-bahana.
Nisy ny fanomezana fe-potoana 48 ora nanomboka ny alatsinainy 14 jona, nataon’ireo mpikambana hamahana haingana izao olana izao. Fotoana fanararaotana amin’ireo mpivarotra rahateo nefa ny fety, ny vola ampiasaina mihitsoka nefa mpivarotra sy mpanangom-bokatra avokoa ny ankamaroan’ny mpikambana. Anio no tapitra ity fe-potoana ity. Nandritra ny fifanazavana nifanaovan’ny tompon’andraikitra ny Caisse Acoa sy ireo mpikambana nanoloana ny Acoa Famonjena, dia nilaza i Vahira Augustin, tompon’andraikitra ny Caisse Acoa fa “efa nisy ny herinandro lasa teo iny ny fanatonanay ireo tompon’andraikitra samifaha momba ny fampisamboram-bola madinika, sy ny minisiteran’ny teti-bola izay mpiahy ny fampisamboram-bola misy antsika. Nilaza ny ho avy ao Toamasina izy ireo handamina ny olana ary hitondra amin’izay ny vahaolana ho antsika mpikambana”. Etsy an-kilan’izay, hentitra ireo mpikambana amin’ny fandraisana fepetra momba ny volany mihitsoka. Hevitra tera-bary ny azy ireo ka tao ny nilaza fa “raha tsy mivoaka amin’ity herinandro ity ny volan’ny hatsebohanay dia aza mihevitra ny fetim-pirenena hilamina izany fa hilahatra sy hikorontana izahay tompom-bola ary tsy hanaiky hatramin’ny farany. ka miangavy anareo tompon’andrakitra hamaha haingana ity olana ity”. Nisy koa ny nanambara fa “milaza azy mahavita zavatra avokoa ny mpitondra eto Toamasina, nefa olana kely efa namoahan’ny Fitsarana didy aza tsy hitan’izy ireo akory ny handaminana azy. Takianay hatramin’ny farany ny volanay. Toa izahay tompom-bola indray no mihafy sy mijaly amin’ny volanay noho tombontsoan’ny mpitondra sasany mamporisika ny hafa hanenjika ny caisse-nay”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.