Actualités

Raharaha “bois de rose” Nisaoty ny «fusible» voalohany


  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010

Na ho inona ambara ankehitriny, dia nitarika amin’ny fanalana mpitantana “Groupement” na vondrontobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena, faritra Atsinanana, ny raharaha “bois de rose” nisesisesy tao Toamasina ny volana mey sy jona ary jolay 2010 teo ireny.

Fantatra mantsy izao, na mbola tsiambaratelo aza ny raharaha, fa namoahan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria naoty ho fanalana azy ny komandin’ny zandary misahana ny faritra Atsinanana, ny kolonely Notou Estellin. Amin’ny maha tomponandraikitra ambony azy dia fanapahana raisina mandritra ny filankevitry ny ministra na ny filankevitry ny governemanta farafaharatsiny, izany hoe : didim-panjakana na didim-pitondrana, no tokony ho nanaovana izany, fa naoty aloha no niainga. Efa fantatra koa araka ity tsiambaratelo ity ny ho solony dia izany kolonely Bototsara izany, izay misahana ny kaompanian’ny zandary ao Moramanga, ary zanaky ny faritra Anosy, araka ny vaovao azo ihany.

Raha hiverenana ny tantara, tamin’ireo andramena 13 kamio nampidirina an-tsokosoko tao Toamasina, nitranga teo anelanelan’ny volana mey sy jolay, dia ny zandary teo anivon’ny vondrona tantanany no nahatratra ny ankamaroany. Mbola teny an-dalam-pidirana ny lalam-pirenena faha-05 avokoa no nahatratrarana ny fiarabe nitondra azy ireo. Na izany, fantatra araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary ihany fa ilay andramena tratra tao Tanambao Nosibe sy ilay tratra tao Ampilaolava ary ny teo Ambalamanasy no tena nahatonga ity naoty nidina tampoka ity. Ireo andramena tratra ireo mantsy dia nifaningotra betsaka amina mpitondra FAT maromaro, sy fianakaviana akaiky ny mpitondra FAT ihany koa. Araka ny fikaroham-baovao natao, dia fantatra izao fa miisa 1.856 ny bolabola tratra tsy nanara-dalàna tao Toamasina, ao anatin’izany ireo bolabola miisa 1.445 ao anatin’ireo kaontenera 12 nogiazan’ny fanjakana ary napetraka eo anivon’ny MICTSL ao amin’ny seranan-tsambo. Misy koa ny bolabola 174 giazana ao amin’ny Jenia miaramila Barikadimy Toamasina tratran’ny «Task Force» izay tsy re tsaika nandritra ny asa natao. Ao koa ny bolabola 52 sy ilay 17 napetraka ao Bazarikely misy ny DREF Atsinanana, izay natao mangingina ihany koa.
 
Misy koa ny bolabola 19 sy ilay 33 ao amin’ny CFM Salazamay izay tena tsy nisy mpahalala raha tsy ny DREF Atsinanana ihany ary ny bolabola 116, fa 112 no voasoratra, napetraka tao Mangarano II izay lasa raharaha hafa taty aoriana noho ireo hazo nataon’ny mpiambina azy tao anaty kaontenera. Teo koa anefa ireo bolabola izay tsy fantatra mazava ny misy azy ankehitriny, nefa nahoraka be ny fahatratrarana sy ny fampitam-baovao natao taminy, dia ilay kamiao efatra tratra teo Ambalamanasy izay nentina teo anivon’ny vondron’ny zandary misahana ny raharaha fikarohana ady heloka, sy ilay bolabola 161 tratra tao Ampilaolava nentina taty Antananarivo izay tsy hitan’ny mpanatitra akory ny toerana nametrahana azy fa nifarana teo amin’ny ministeran’ny tontolo iainana ny asan’ireo nanatitra ireo «bois de rose» ireo avy any Toamasina. Na izany aza dia fantatra koa izao fa, miisa 5.997 ireo bolabola na andramena fantatra tahiry ara-dalàna araka ny didim-panjakana namaritra ny fanisana talohan’ny 30 novambra 2009, manana fahazoan-dalana mitazona andramena avokoa ireo tompony ary ao Mananara Avaratra sy Maroantsetra ny ankamaroany, eo koa ireo orinasa mpitrandraka ala telo ao Toamasina tampon-tanàna. Ankoatra izay, vokatra ity raharaha ity dia efa heno an-dalantsara koa fa mety hisolo ato ho ato koa ny kolonely lehiben’ny vondron’ny zandary misahana ny faritany teo aloha ao Toamasina. Raha izay koa no zohina dia hiala avokoa ireo olona sy tompon’andraikitra nifaningotra sy nanao ny asany tamin’ny fampiharana ny lalàna momba ity «bois de rose» maromaro tratra tao Toamasina ity.
 
Rakoutou – Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT