Omaly alakamisy tolakandro no natao fanadihadiana lalina teo anivon’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotoran’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ilay raharahana bolabola efatra kaontenera tratra tao amin’ny port Toamasina raha saika haondrana any Azia.
Ny sivy tamin’ireo voatana am-ponja vonjimaika no niakatra fanadihadiana lalina io omaly io, nahitana ny mpiasa teo anivon’ny MICTSL, ireo «transitaires», ny mpiasan’ny Maesrk ary ny mpamilin’ilay kamiao hany mbola tratra. Tsy tafiditra tao anatin’izany ilay Sinoa heverina fa ati-doha sy tompon’ireo bolabola tratra ireo. Ny dimy tamin’ireo sivy no hany vita hatramin’ny enina ora sy sasany hariva. Hitohy anio ny fakana am-bavany ireo voarohirohy ireo.
Mitohy ny grevy
Mbola mikatso izany ny fampidirana sy famoahana kaontenera eo anivon’ny orinasa MICTSL. Ny fanafahan’ireo mpiasa dimy avy ao aminy, voatana amin’ity raharaha ity, mantsy no hivahan’ny grevin’ny mpiasa ao. Tonga maro nanohana ny namany teny amin’ny fitsarana raha teo ireo mpiasa mitokona omaly. Mikatso vokatr’izany koa ny fampidirana volam-panjakana amin’ireo haba sy hetra alaina amin’ny entana. Raha andavanandro mantsy dia manodidina ny kaontenera 200 no mivoaka eo anivon’ny orinasa, ary manana anjara 38 euros amin’izany isaky ny kaontenera 20’ ny fanjakana malagasy. Ny sambo mpitondra olona Morisiana «Trochintia» aza niverim-potsiny ny kaontenera nentiny, fa ireo mpandeha kosa afaka nidina ihany. Raha tsy mivaha anio koa anefa ity olana ity, dia hihitsoka ary hanaratsy endrika an’i Madagasikara eo amin’ny seha-pitaterana an-dranomasina, ireo sambo telo hitondra kaontenera eto amintsika ny sabotsy ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.