Raha vao miresaka Bianco dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny resaka andramena.
Nandritra ny fihaonan’ny mpanao gazety tamin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly izay notarihin’ny Tale jeneraliny Andriamifidy Jean Louis ary dia fantatra fa haverina hotsaraina eny amin’ny “Chaine pénale” indray ny raharaha Bekasy, ilay raindahiny amin’ny bizina andramena amin’iny faritra avaratry ny nosy iny.
“Nisy antontan-taratasy nasaina nofenoinay tao anatin’ny fanadihadiana izay nataonay ary feno izany ankehitriny ary dia izay no antony hamerenana ny raharaha eny amin’ny fitsarana amin’izay”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco. Ny tena mahaliana amin’ity raharaha Bekasy ity dia noho io olona io ihany koa izay nanohana akaiky ny kandidan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara any amin’iny faritra avaratry ny nosy iny tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna natao ny 31 jolay 2015 ka asa raha ho tena sahy hipetaka azy ny fitsarana. Nandritra ny fampielezan-kevitry ny Ben’ny tanàna farany teo iny dia nisy peta-drindrina izay nahitana ny sary sy ny anaran’i Bekasy mihitsy izay peta-drindrina an’ny antoko HVM.
Manaraka izany dia mbola misy fitoriana olona hafa iray izay nahazo tombontsoa avy tamin’ny kolikolin’andramena ity ihany. Any Toamasina dia mbola misy raharaha roa hafa eo an-dalam-pahavitana ihany koa ny fanadihadiana izay hiakatra fitsarana tsy ho ela. Ankoatr’izay dia nampahatsiahivin’ny tale jeneralin’ny Bianco fa anisan’ireo antontan-taratasy lebihe izay tsaraina eo anivon’ny “Chaine pénale” hatrany ny raharaha Jirama. Momba ny fiahiahiana ny fisian’ny kolikoly teny anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena dia efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana ary miantso ireo rehetra izay manana porofo manodidina izany ny Bianco mba hamatsy azy ireo ny porofo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.