Actualités

Raharaha baomba sy fanafihana ny Viva Mitokona tsy mihinan-kanina ireo voapanga


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Mangataka ny hamoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika 12 mirahalahy izay voampanga ho tompon’antoka tamin’ny raharaha fametrahana baomba sy fanafihana ny Viva ny fikambanana Maherifon’ny firenena 2009.

Nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika izy ireo nandritra ny fotoam-pitsarana ny alatsinainy 18 oktobra teo kanefa naverina any am-ponja indray ny hariva, taorian’ny famotorana nataon’ny zokilona amin’ny mpitsara mpanao famotorana azy ireo. Io raharaha io ihany no voalaza fa anenjehana ka nandefasana azy ireo any Tsiafahy izay toherin’ity fikambanana ity tanteraka. “Niisa 16 ireo voarohirohy ka ny 14 nahazo fahafahana vonjimaika izay vehivavy ny 2. Misy ireo marary izay voaporofon’ny taratasy avy amin’ny mpitsabo ary izay indrindra no namoahana azy. Araka izany dia raisinay ho tompon’antoka ny fitsarana raha sanatria misy manjo ireo olona ireo”, hoy Rasoloarimanana Jean Louis, filohan’ny fikambanana Maherifon’ny firenena 2009.

Vao mainka moa mampitroatra ny fianakaviana koa ny fampidirana azy rehetra any Tsiafahy raha teny Antanimora ny enina mirahalahy no niandry ny fotoam-pitsarana azy teo aloha. Mitokona tsy misakafo nanomboka ny alakamisy teo ireto farany ho fanoherany ny didy savaravina navoakan’ny fitsarana. Nisy ny taratatasy misokatra nalefan’ireto voapanga ireto any amin’ny ministeran’ny Fitsarana sy ny fampanoavana izay ilazany fa misy mihitsy ireo tomponandraikitra mikendry ny handentehana azy ireo. Tsy hanaiky lembenana mora foana kosa anefa izy ireo. Milaza ny hangataka fihaonana amin’ny ministeran’ny Fitsarana moa ny fikambanana Maherifon’ny firenena 2009 amin’ity herinandro ity hitondrany ny heviny manoloana ny rahara ka raha tsy voaray na koa tsy mahazo valiny mahafa-po izy ireo dia hitondra ny raharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Fanosihosena ny zon’olombelona no manjo ireo Malagasy ireo noho ny resaka politika ka hametraka fitoriana amin’ny sampandraharaha miahy ny zon’olombelona izahay”, hoy hatrany ny fikambanana Maherifon’ny firenena 2009.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT