Nahatsiaro tena fa voadona mafy ny Kaominin’Antananarivo renivohitra taorian’ny lahatsoratra an-gazety izay manoso-potaka ny PDS Edgard Razafindravahy izay ahiahian’ny ministeran’ny fanajariana ny tany ho nanao kolikoly tamin’ny fanomezana alalana fanorenan-trano lehibe iray eny Soarano.
Araka izany dia nitondra ny valin-kafatra ny talen’ny kabinetrany, ny kaomisera Rabearisoa Alexandre izay nanambara fa tsy nikoropaka mihitsy ny Kaominina ka nisafidy ny hangina satria tsy misy zavatra maloto mety atahorany momba ity raharaha ity. “Nahazo alalana hanorina trano misy rihana telo etsy Soarano avy amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany tokoa”, hoy izy ny tompon’ny orinasa Baolai. Ankoatra izay anefa dia nandefa taratasy mangataka fahafahana manampy rihana 2 amin’io trano io teny amin’ny Kaominina ity orinasa ity ny 10 aprily 2010 satria ny Kaominina no tompon’andraikitra amin’ny resaka fanondrotana trano.
Nankatoavin’ny Kaominina izany fangatahana izany ny 17 jona 2010 tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana mitondra ny laharana 458 satria mirefy 602 m2 ny tontalin’ny velaran’ireo rihana roa fanampiny ireo izany hoe mbola ao anatin’ny fahefan’ny Kaominina tanteraka. “Voalaza mazava ao anatin’io didim-pitondrana io ny fisian’ny maribola alaina amin’ny orinasa Baolai noho ilay asa fanondrotana mba hanamarinana fa tsy misy ny resaka ambadika. Ankoatra izay dia nandefasana dika mitovin’io didim-pitondrana io koa ny prefektora sy ny filankevitra monisipaly ary ny Bianco raha tsy nisy akory ity resaka ity satria efa fomba mahazatra anay ny fitantanana mangarahara ”, hoy ny kaomisera Rabearisoa Alexandre.
Momba ny filazana fa tsy nandray ny andraikiny hampijanonana ny asa ny Kaominina araka ny didy avy any amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany dia nanazava ny Talen’ny kabinetra fa azo atao ny mandefa taratasy fampatsiahivana na koa fifampiresahana mivantana teo amin’ny tompon’andraikitra roa tonta. “Aza hadinoina koa fa mandritra ny herintaona no manankery ny fahazoan-dalana fanorenana na fanondrotana ka tokony ho amin’ny fahataperan’ireo fe-potoana ireo vao jerena raha manaraka ny drafitry ny trano nahazoany alalana ilay orinasa na tsia”, hoy izy. Hatramin’ny 19 martsa 2011 moa no manankery ny fahafaha-manorina azon’ny Baolai raha ny 16 jona 2010 kosa ny taratasy fahazoan-dalana manondrotra ny rihana raha ny fanazavany ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.