Actualités

Raharaha BANI Misy miaramila mitam-basy mbola karohana ?


  • Alarobia 24 Novambra 2010

Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka amin’izao fotoana ny manampahefana momba ilay fikomiana teny amin’ny BANI Ivato. Mandeha indray ny feo nanomboka ny alahady lasa teo fa tsy manamboninahitra ihany akory no nikomy teny Ivato teny fa nisy ihany koa ny manamboninahitra lefitra sy vata-miaramila.

Tsy manaiky ny hitolo-batana tahaka ireo manamboninahitra ireto farany, ary nanapa-kevitra ny hanavo-tena tamin’iny sabotsy nisian’ny fisamborana iny. Tafatsoaka izy ireo fa tsy anisan’ireo noraisam-potsiny teny Ivato. Tsy fantatra mazava anefa hoe nitsoaka aiza izy ireo, ary firy marina ny isany ? Ireo olona mipetraka eny Ivato sy eny amin’ny manodidina ny BANI moa dia nisy nilaza ihany koa fa nahita ny sasany tamin’ireo manamboninahitra ireo niaraka tamina vata-miaramila, ary raha nivoaka kely nitafa tamin’ny mpanao gazety teo amin’ny vavahady lehiben’ny BANI ny tolakandron’ny alarobia 17 novambra ny lietna kolonely Charles dia tazana niaraka taminy ny miaramila telo lahy nitana basy, izay raha ny fahitana azy dia miaramila tsotra ambany grady.

Tsy nisy vata-miaramila voasambotra mihitsy anefa ny sabotsy hariva teo. Nankaiza marina ary ireo miaramila niaraka tamin’ny lietna Kolonely Charles ireo ? Hatreto tsy nisy ny filazana na firy ny basy sy fitaovam-piadiana tratra niaraka tamin’ireo manamboninahitra nitolo-batana teny Ivato na firy ? Avy amin’izany tranga rehetra izany no hieritreretana fa mety mbola misy miaramila mpikomy mitam-basy miriaria any ambadimbadika any amin’izao fotoana ary tsy fantatra marina izay ao an-tsain’izy ireo. Ny mampanahy ny maro amin’ity raharaha ity dia sao mahita mpamatsy vola tampotampoka any amin’ny tsy hita maso any ireo miaramila mitam-basy ireo ka hanao zavatra hafahafa hitarika korontana eto indray, ka izay vao tena izy fa tsy sinema intsony. Miandry ny valin’ny fanadihadiana anefa ny rehetra ary mino sy mahatoky fa tsy maintsy hipoitra ny marina rehetra amin’iny raharaha BANI iny fa tsy hanjavozavo tahaka ny teny amin’ny FIGN.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT