Actualités

Raharaha BANI Manamboninahitra folo no mbola hohainoina


  • Talata 30 Novambra 2010


Mbola misy folo ny manamboninahitra handalo fanadihadiana etsy Ankadilalana. Tsy iza ireo fa izay hita tao anaty «organigramme» izay hita tao amin’ny tranon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina. Ankoatr’izay dia fantatra koa fa mbola hantsoina tsirairay eny an-toerana ireo mpanao politika izay ahiana ho tao ambadik’iny raharaha iny. Ireo izay naneho hevitra rehefa nandeha ny fanambarana nataon’ireo manamboninahitra teny Ivato no tena hohainoina. Momba iny raharaha iny hatrany dia tsiahivina fa anio no handeha ny fitsarana an’i Riana Ratsisalovanina teraka Ranjeva izay nogadraina eny Antanimora rehefa nolazaina fa nanevateva mpitandro ny filaminana nandritry ny fisavana ny tranony sy ny fanadihadiana azy teny amin’ny zandary. Fianakaviana Ranjeva roa izany no tokony handalo eny Anosy anio. Raha ny fantatra mantsy dia tokony handeha eny koa ny raharaha fanodinkodinam-bola tao amin’ny Banky Foibe tany Manakara izay nahavoarohirohy an’i Louis Ranjeva. Io farany dia efa tsy hita intsony izay nanjavonany rehefa nipoaka ny raharaha. 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT