Actualités

Raharaha Antsakabary Navotsotra ny Ben’ny tanŕna, olona 31 hatolotra ny Fampanoavana anio


  • Alatsinainy 27 Febroary 2017

Niisa 33 ireo olona nosamborin’ny Hery vonjitaitran’ny polisy (FIP) nisambotra ireo olona heverin’izy ireo fa tompon’antoka tamin’ny fitsaram-bahoaka ka nahafaty Polisy roalahy tany Ambalamanga,

 

 

 kaominina Antsakabary, distrika Befandriana Avaratra ny 18 febroary 2017. Nentin’izy ireo ao Antsohihy izy ireo, natao famotorana. Navotsotra alohan’ny fotoana anio hanolorana ireo voampanga amin’ny Fampanoavana anefa ny Ben’ny tanànan’Antsakabary Franck Lemont, sy ny lefiny, isan’ireo nosamborina. Nisalotra samboady, nitsena ny iraky ny governemanta nahitana ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana, Rafidimanana Narson , ny minisitry ny fiarovam-pirenena jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, jeneraly Paza Didier, teny amin’ny seranam-piaramanidin’Antsohihy omaly nitondra fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny doro trano nataon’ny Polisy tamin’ireo tanàna miisa enina tany Antsakabary nandritra ny fisamborana olona notanterahin’izy ireo ny alarobia teo, ka nahafaty vaviantitra iray jamba tao Ambinanindrano. Nandritra izany no nitantaran’ny Ben’ny tanàna ny zava-nitranga marina tany amin’ny tanàna feheziny sy ny fampijaliana nihatra taminy nataon’ireo Polisy. Miisa 31 ireo olona no hiakatra Fitsarana amin’ity alatsinainy 27 febroary ity, ka vehivavy ny roa amin’ireo ary mpampianatra ny dimy. Omaly alahady hariva, taorian’ny fahatongavan’ireto iraky ny governemanta ireto tao Antsohihy, ireo voarohirohy vao azon’ny fianakaviana nanateran-kanina.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT