Herinandro mahery izay no niparitahan’ny horonantsary mahonena maneho ny fampijaliana vahoaka tany Antsakabary ny volana febroary 2017. Nofatorana, nampandohalihana, norahonana, nodarohana…
ny vatan-dehilahy rehetra, ary ny trano fonenany etsy an-daniny mijoalajoala ny afo, saingy tsy afaka ny hamonjy izany akory, fa ny fampijaliana no tsy maintsy natrehina. Fanitsakitsahana ny zon’olombelona tsotr’izao, saingy mandrak’ity ny androany tsy nisy mpitondra fanjakana sahy nisoka-bava sy niteny na dia nanameloka izany am-bava fotsiny aza. Nangataka amin’ny fanjakana Malagasy ny hanaovana fanadihadiana tsy mitanila momba ny fitondran-tenan’ireo polisy manodidina ny 40 ny Amnesty International noho ny fiahiana fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny loza amin’atambo, ary tokony hajaina ny fitsipika iraisam-pirenena. Mila honerana manontolo ny fahavoazan’ireo vahoaka lasibatra. Tsy nisy ny fanazavana momba ny fizotry ny raharaha avy amin’ny fanjakana hoe mby aiza ny fanadihadiana raha misy? Inona ny tohin’ny fakana am-bavany ireo polisy raha natao ? Tena minia jamba sy be marenina ve ny fanjakana, ka mody fanina tanteraka ? Ny raharaha Antsakabary dia any amin’ny mpitsara mpanao famotorana mihitsy no mety mahalala betsaka amin’ny maha dosie efa mandeha any amin’izy ireo, hoy tompon’andraikitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana, raha nanontaniana momba ity raharaha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.