Tsy milamina ny mpandraharaha Malagasy te hampandroso ny fihariana eto Madagasikara. Porofo iray amin’ny fampikatsoan’ny mpitondra fanjakana ny fandraharahana eto amin’ny firenena ny zava-misy manodidina ny tany eny
Andohatapenaka mihatra mivantana amin’ny filoha teo aloha sady mpandraharaha Ravalomanana Marc, hoy mpandinika ny fiarahamonina Raveloson Constant. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no ahitan’ny mpandraharaha ny rariny sy ny fahamarinana ao anatin’ny fifampitokisana raha io tranga mahazo ny raiamandreny efa nitantana an’i Madagasikara io no halalinina ? Tena azo itokisana tokoa ve ny mpitondra eto amintsika rehefa ara-dalàna ny fananantsika manoloana io fanaovana antsojay mibaribary amin’ny fananan’ny filoham-panjakana teo aloha Ravalomanana io ? Ampaham-panontaniana ihany amin’ny maro ireo, hoy ity mpanao politika ity.
Fandikan-dalàna
Toa tarazo ratsin’ny taona 2009 raiki-tampisaka amin’ireo mpitondra sasantsasany ny fandikan-dalàna. Sahin’izy ireo tsotra izao mantsy ny manitsaka ilay fifanekena voalazan’ny tondrozotra efa lasa lalàna velona eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny tena loza dia ilay mambabo sy mandrava fananan’ny mpandraharaha.
Sakana ara-toekarena
Tsy vitan’ny manakorontana ny mpandraharaha fotsiny izao fihetsiky ny mpitondra mahefa izao fa tena sakana ara-toekarena mampikatso ny fihariana sy ny fampivoarana ary ny fampandrosoana ny firenena. Mamokatra, mamorona asa miteraka fampandrosoana anefa ny mpandraharaha rehefa manao fihariana.
Mampikatso ireo mpamatsy vola
Hanaratsy endrika an’i Madagasikara indray eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena iny fihetsika tsy voahevitra avy amin’ny fitondram-panjakana iny, hoy Raveloson Constant. Amin’ny tapaky ny taona 2016 anefa vao hanome ny heviny mikasika ny fitantanam-bola eto Madagasikara izay nametrahany fepetra ireo mpifarimbona sy mpamatsy vola avy any ivelany taorian’ny dinika tany Lima farany teo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.