Niravona ny raharaha Ambohimamory, izay naharatrana zandary roa ny harivan’ny alatsinainy 19 aprily lasa teo.
Taorian’ny dinika in-droa andro nisesy nifanaovan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana an-daniny sy ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana ato amin’ny faritany mizakatenan’Antananarivo teo aloha, tarihin’ny kolonely Ravalomanana Richard teny amin’ny zandary Ankadilalana an-kilany dia niroso tamin’ny fifamelana ny roa tonta ary tsy misy arakaraka. Nialoha izany dia nangataka ny hamerenana ireo fitaovana very nandritra ny sakoroka teny Ambohimamory ny lehiben’ny zandary. Tontosa an-tsakany sy an-davany ary tafaverina tsy nisy nanombinana ny fitaovan’ny zandary, izay azo inoana fa noho ny fitaizana amin’ny fahamarinana ny vahoaka eny an-toerana nataon’ny mpitondra fivavahana. Tamin’ny ankapobeny dia tsy fahampian’ny serasera no nanome vahana ny ahiahy teo amin’ny roa tonta.
Taorian’ny dinika dia nifanaiky izy ireo fa hanarina izany ka hifampita vaovao raha misy trangan-javatra mampiahiahy, hisorohana ny fifampiampangana tsy ombam-porofo. Vita hatreo izany ny amin’iny, nivalona teo koa ny raharaha Randriamisata Roger. Fanambarana niombonana no namaranana ny fihaonana tao Ankadilalana ary mamalona iny raharaha iny. Nilaza ampahibemaso fa hitana ny teniny ny zandary. Tetsy an-kilany ireo Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, izay nisy fito no tonga teny, anisan’izany ny mpitandrina Randriamisata Roger, dia nangataka mba tsy hamindran-toerana ireo zandary niandohan’ny savorovoro teny Ambohimamory. Maro anefa no mihevitra fa voatery niroso tamin’ity fifamelana ity ihany ny kolonely Richard Ravalomanana sy ny ekipany satria mety hisy fiantraikany ratsy ihany ny teny nambarany raha namory mpanao gazety momba iny raharaha Ambohimamory iny izy, milaza fa raha izy no teny dia faty nikararana no nisy. Nanjaka izany teto ny fihavanana sy ny soatoavina malagasy. Anio amin’ny 5 ora tolakandro moa dia hisy fiaraha-mivavaka hataon’ny mponina eny Ambohimamory, hatao ao amin’ny Fjkm Ambohimamory. Nanamafy anefa ireo raiamandrem-piangonana fa ny raharaha Ambohimamory no nivalona teo fa ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana kosa dia mitohy hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.