Nahemotra ho amin’ny 20 jona izao indray ny fitsarana an’i Alain Ramaroson izay niakatra teny amin’ny fitsarana Anosy omaly.
Nisy tamin’ireo voapanga niaraka taminy no tsy nahazo fiantsoana, ka izay no antony nanemorana ny fitsarana raha ny fanazavan’ny mpisolovava Andriatsiafara Mamy, mpiaro azy. Nangataka fahafahana vonjimaika moa i Alain Ramaroson saingy nolavina ka dia naverina eny am-ponja indray aloha izy miandry io daty voatondro io. Raharaha mikasika tany fa tsy ady tany no hiampangana azy satria ny ady tany dia afera madio, hoy ny mpisolovava azy. Io resaka tany io no nifanolanany tamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny. Tsy hoe fisolokiana fa nisy taratasy hosoka tao anatin’ny dosie nampiasaina tamin’ny resaka fifampivarotana tany teny Ambohimangakely sy Andoharanofotsy. Nahita hoe hosoka ny olona fa izahay manokana dia mahita hoe tsy misy andraikitr’i Alain Ramaroson ilay izy matoa izahay miaro azy, hoy hatrany ny mpisolovava Andriatsiafara Mamy. Notsiahivin’io mpisolovava io ny naha lehiben’ny kaomisionina momba ny fanadihadiana ny fananan-tany tao anatin’ny CST tamin’ny andron’ny tetezamita, ka angamba tsy izy tokony ho modely no hanao zavatra tahaka izany. Marihina fa dosie roa no hanenjehana azy ara-pitsarana ary efa ho herintaona izay no nanagadrana azy saingy izao mihemotra izao foana ny fitsarana, ka maro no mihevitra fa misy ambadika politika ny fanenjehana azy. Olona anisan’ny nanakiana sy nanenjika mafy ny fanjakana HVM rahateo izy, ka mety izay no hampitarazohana ny raharaha mahasaringotra azy. Asa izay hitranga aorian’ny 20 jona fa samy miandry ny rehetra. Ny resaka mandeha amin’izao fotoana kosa dia hoe tsy homena fahafahana i Alain Ramaroson raha tsy aorian’ny 2018 fa sao hanakorontana fitondrana. Ny valin’ny fitsarana no handiso na hanamarina izany, ka dia samy miandry ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.