Actualités

Raharaha abatoara Ankadindratombo Niakatra fitsarana omaly


  • Alarobia 27 Mey 2015

Niakatra fitsarana omaly ilay raharaha abatoara Ankadindratombo izay nitorian’ny fikambanana HAFARI Malagasy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Alasora.

Olona manodidina ny 15 isa no nohenoin’ny fampanoavana nandritra izany izay nahitana ny Ben’ny tanànan’Alasora teo aloha, ireo mpanolotsaina niaraka taminy ary ilay Sinoa izay nividy ny abatoara voalaza fa hafindra  eny Ankadiaivo. Ho an’ny fikambanana HAFARI Malagasy manokana dia nambaran’ny filoha Rafanomezantsoa Jean Nirina fa niainga tamin’ny porofo teo am-pelatanany ny fitoriana nataony, niaro ny fitarainana voarain’izy ireo  izay notsindriany fa tsy azony hodiana tsy hita satria tsy mpiray tsikombakomba amin’ny tsy rariny izy ireo. Na izany aza anefa dia notsindriany fa mahatoky ny fahendren’ny fitsarana ny tenany, didy hivoaka ny 23 Jona ho avy izao. Notsiahivin-dRafanomezantsoa Jean Nirina hatrany moa fa tsy mpanao politika ny tenany ary tsy hilatsaka Ben’ny tanàna na dia misy aza ny mivoy mafy izany.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT