Actualités

Raharaha AAA-Tiko Nilefitra ny fanjakana


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Namoaka fanambarana ny masoivoho Amerikanina omaly ka nanameloka ny fanaovana sorona ireo ombin’ny orinasa AAA-Tiko any Andranomanelatra, izay efa roa no maty ary maro mitsipozipozy.

 Toy izao izy io, raha adika tsotsotra amin’ny teny Malagasy : « Manaraka akaiky ny raharaha manodidina ny orinasa AAA-Tiko ao Andranomanelatra ny masoivoho amerikanina. Miantso ny « Préfet » ao Vakinankaratra sy ny fitsarana ao Antsirabe hitady vahaolana haingana mba hampitsaharana ny sakana tsy hahafahan’ireo omby hahazo sakafo sy rano ka mahatonga azy ireo hijaly amin’ny tsy antony. Tsy misy hidiran’ny resaka omby mihitsy ny fifanolanana manodidina ny fanakatonana ny orinasa AAA-Tiko. Tsy azo ekena ny fanaovana sorona ny ain’ny biby izay tsy afa-miaro tena akory, kanefa dia tandindonin-doza. Sarotra eritreretina ankoatra izay ny fanimbana fotsiny ireo biby fiompy izay loharanon-tsakafo sy ronono amina faritra tena mila izany amina zavatra tsy dia fatratra ny antony”.

Nanaiky tsy fidiny

Omaly maraina dia mbola niziriziry ny fanjakana, ka nahemotra fanindroany ho amin’ny alatsinainy 12 martsa 2018 indray ny raharaham-pitsarana « Ady maika » mba hamahana haingana ny vavahady. Tamin’ny 7 martsa teo no efa nanaovana izany. Nahemotra omaly 9 martsa, ary mbola nihemotra ihany. Ny prefektiora no nangataka ny fanemorana, ary neken’ny fitsarana. Nisafidy ny hampijanona ny raharaha hatramin’ny mpisolovava, satria efa tsy noraharahiana intsony ny hoe “hamehana”. Raikitra ny fivoriana maika sy nangingina teo anivon’ny OMC (Organe Mixte de Conception). Vao nivoaka anefa ilay fanambarana ny tolakandro, dia novohaina fotoana fohy monja taorian’izay ny vavahady nanomboka tamin’ny 3 ora sasany ary navela niditra ny kamio, ka afaka misakafo tsara ny omby. Manaporofo hatrany, fa tsy mahay mifampihaino isika samy Malagasy ary mifamotika lalandava. Raha sanatria tsy namoaka fanambarana izany ny Amerikanina, dia tsy nihemotra mihitsy ny fanjakana na omby firy na firy maty tao. Ny lonilony politika no hamotehana fiainana mpiasa Malagasy an’arivony. Nivaha aloha ny olan’ny biby fa ahoana ny an’ny olona ? Hiandry ny mena ambonin’ny mena foana ve vao hanaiky sy ho tonga saina fa tsy mety ny atao ?


Toky R sy Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT