Actualités

Raharaha 7 febroary Nanomboka omaly ny fandinihana azy


  • Talata 18 Mey 2010

Omaly no tonga tao amin’ny lapan’ny Fitsarana etsy Anosy ny dosie mahakasika ny raharaha 7 febroary 2009.

Ny «Chambre d’Accusation» na ny rantsam-pampiangana no nandray an’izany ary io sampam-pitsarana io ihany koa no handidy sy hanapaka izay mety ho fiampangana izay olona voarohirohy tamin’iny «sabotsy mena» iny. Hatreto aloha dia voalaza fa 73 no namoy ny ainy tamin’ny 7 febroary 2009, teo Ambohitsorohitra. Tarehimarika izay mety hiovaova arakaraka ny loharanom-baovao ihany io. Raha ny tsiliantsofina re etsy eroa dia hovitaina amin’ity herinandro ity ny fandinihana ny dosie. Izany hoe amin’ny herinandro ambony, raha ho ela indrindra, araka ny tombantomban’ny maro, no hanomboka hotsaraina ny raharaha. Mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe maninona no mihazakazaka tampoka amin’ity raharaha ity ny fitondrana ankehitriny ? Sa ve misy olona tiana halentika indray ? Raha tsiahivina dia nangataka ny hanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena momba ity raharaha ity ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba hialana amin’izay mety ho fitongilanan’ny fitsarana izay efa nanameloka azy im-betsaka, nandritra ny tsy naha teto an-toerana azy.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT