Actualités

Raharaha 7 febroary Hotsaraina amin’ny 23 jona


  • Zoma 04 Jona 2010

Nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa, fa hotsaraina amin’ny 23 jona izao ny raharaha 07 febroary.

Efa feno ny dosie ary hatomboka amin’izay ny fitsarana sy ny fisamborana raha ilaina izany mahakasika iny raharaha iny, raha araka ny fanazavan’io tompon’andraikitry ny HAT io ihany. Mahakasika ny hoe famerenana an’Atoa Marc Ravalomanana eto an-toerana indray dia mbola nohazavainy ihany koa fa hangatahina amin’ny fanjakana izay misy azy ny famerenana azy eto raha ilain’ny mpitsara ny momba izany. Raha hatao bango tokana izany dia dosie maro no indray mihaodihaody eo anivon’io minisitera io. Tsikaritra fa mihazakazaka tanteraka io andrim-panjakana io amin’ny fikarakarana izany. Mazava ho azy fa handetehana izay tokony halentika no antony. Raha izao fandehan’ny raharaha izao no jerena dia mety hiakatra an-jatony ireo olona 42 izay efa midoboka eny Antanimora sy am-polony maro eny Tsiafahy. Ny zandary fotsiny no efa misy 21 no naiditra tao (Tsiafahy), tao anatin’ny roa herinandro monja. Izao indray dia efa mandeha ny dosie maro samihafa izay miantefa amin’ny olona maro samihafa. Rariny ihany raha nisafidy ny tsy handray anjara ao anatin’ny HAT intsony ny Sendikan’ny mpitsara izay mahatsapa fa lasa fitaovana fotsiny. Porofo mivaingana... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT