Actualités

Raharaha “7 febroary” Hotsaraina amboletra indray


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010

Efa tonga tamin’ny faran’ny herinandro teo ireo mpisolovava vazaha izay hanampy ireo mpisolovava malagasy hiaro ny Filoha Marc Ravalomanana.

Efa tonga eny am-pelatanan’izy ireo ihany koa ny dosiem-pitsarana mahakasika ny raharaha “7 febroary” izay hitorian’ny fianakaviana maromaro ny filoha lanim-bahoaka farany teto Madagasikara sy ireo olona sasantsasany teo ambany fiahiany. Anio izany no handeha etsy amin’ny efitranon’ny fitsarana heloka bevava tsotra (CCO) ny raharaha izay voatery nandrasana roa volana taty aoriana, raha tokony ho natao ny 23 jona, noho ny tsy fahatomombanan’ny dosie avy amin’ny fitsarana. Tamin’io fotoana io dia afa-baraka tanteraka ny ministera tomponandraikitra satria tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny avokoa ny dosie rehetra tokony hisian’ny fitsarana. Ny hany hery dia nanaiky ny fangatahan’ny mpiaro ireo voarohirohy izay samy nandresy lahatra fa tsy manaraka ny «code de procédure pénale» ity raharaha ity. Roa volana aty aoriana, ho raikitra indray ny fitsarana na dia tsy eo aza ny Filoha Ravalomanana izay nangataka fanadihadiana iraisam-pirenena momba ity raharaha ity. Betsaka ny mpanara-baovao no mahita fa tsy mbola tokony handeha aloha ny raharaha mafana toy izao raha hitady vahaolana ho an’ny fivoahana amin’ny krizy. Na inona na inona mantsy mety ho fivoakan’ny didy eo dia heverina fa hisy ny faly sy ny tezitra. Ary amin’ny maha lehibe ny dosie dia tsy ferana ny mety hisian’ny korontana indray. Anisan’ny nataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita vaindohan-draharaha anefa ny fandefasana faran’izay haingana ity fitsarana ity. Ho hita eo ihany izay vokany...

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT