Actualités

Raharaha “7 febroary 2009” Handalo ny rantsam-piampangana anio


  • Alatsinainy 10 Mey 2010

Miroso hatrany ny raharaham-pitsarana mikasika ny raharaha 7 febroary. Fantatra ary fa anio alatsinainy 10 mey, raha tsy nisy ny fiovana farany, no voatondro fa hahatongavan’ny antontan-taratasy momba ity raharaha ity eny anivon’ny rantsana mpampiaka-didy (chambre d’accusation).

Olona 19 moa hatramin’izao no fantatra fa voarohirohy amin’ity raharaha ity, misy ireo manampahefana sivily sy miaramila tamin’ny fitondrana teo aloha, nisy ihany koa ireo miaramila voalaza fa nitifitra ireo olona niakatra teny Ambohitsorohitra. Ho an’ny fitondrana tetezamita mijoro amin’izao fotoana dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tompon’andraikitra voalohany tamin’iny tranga iny, satria izy, araka ny filazan’ny fitondrana HAT no nanome baiko ireo miaramila tao Ambohitsorohitra mba hitifitra ny olona. Tsy mitombina kosa anefa izany, araka ny filazan’i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy, ary miantso ny fitsarana iraisam-pirenena izy ireo mba hanao ny fanadihadiana. Tsy azo itokisana mantsy araka ny eritreritr’izy ireo ny fitsarana misy amin’izao fotoana, satria tahaka ny ataon’ny mpitondra fitaovana mba hanampenam-bava na hanagadrana ireo izay tsy mitovy hevitra aminy. Mihazakazaka anefa ity «dosie 7 febroary» ity amin’izao fotoana, ary azo eritreretina fa mety hivoaka tsy ho ela ny didy, raha ny fandehan’ny raharaham-pitsarana rehetra nisy tato anatin’ny herintaona no jerena.

Maro anefa ny mistery tamin’iny tifitra vary raraka teny Ambohitsorohitra iny, ary herintaona taty aoriana dia miha maro ireo porofo miaraka amin’ny sary manomboka miparitaka, ahitana fa nisy tifitra avy aty aoriana, ary nisy ny olona nitsoaka mankany amin’ny lapa. Misy koa ny olona niatrika sy nitodika tany amin’ny lapa no voatifitra, ary rehefa nozahana dia avy any ivoho, izany hoe avy any aoriana no nidiran’ny bala. Ny miaramila nolazaina fa nitifitra anefa avy ao anatin’ny lapa. Araka ny resaka mandeha ihany dia nisy ny bala avy amina basy hafa, izay tsy fampiasan’ny miaramila mpiambina ny lapa, hita teny Antaninarenina sy ny manodidina. Iza no nitondra izany, ary iza no nitifitra taminy ? Sarotra dia sarotra ny raharaha 7 febroary, ary tsy tokony hovitaina maimaika ny fitsarana azy. Na izany aza anefa tsy rariny ihany koa raha sanatria mangina sy lasa tantara hanetsetra ireo niharam-boina tahaka ny raharaha 10 aogositra teny Iavoloha fotsiny ilay izy, fa tokony mba ho fantatra ny tena marina, sy ireo tompon’andraikitra voalohany ka saziana araka ny lalàna.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT