Actualités

Raharaha 26 jona 2016 Nijanona ho mistery


  • Talata 27 Jona 2017

Feno herintaona omaly no nisian’ilay asa fampihorohoroana nitranga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny alin’ny 26 jona 2016 nandritry ny rindran-kira nandraisan’ireo mpanakanto maro ho fanakatonana ny fankalazana ny faha-56 taonan’ny fahaleovantena sy ny foloalindahy.

 Teraka ny resabe tamin’izay fotoana izay fa ny mpanakanto Stephanie no nokendren’ny vadin’ny filoham-pirenena tamin’iny baomba nipoaka iny satria nandeha ny feo fa miaraka amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ity mpihira malaza ity. Mety ho antony nahatonga ny raharaha nijanona ho mistery hatramin’izao ve io antony io ? Ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitandroana ny filaminana rahateo moa tsy nanisy resaka loatra ny tohin’ny fanadihadiana intsony tato ho ato ary tsy nisy filazana hoe ireto sy ireto no ahiahiana ho tao ambadik’iny raharaha iny, herintaona ngarangidiny izay taorian’ny nisavana ny tranon’ireo tanora roalahy nodimandry taorian’iny fipoahana nahatsiravina iny.

Kamera 150

“Iarahantsika mahalala ny zava-niseho tamin’ny herintaona.” Izay hatrany no fehezanteny heno nivoaka ny vavan’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fitandroana ny filaminana talohan’ny nandraisana ireny fepetra faran’izay hentitra niarovana ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina, indrindra teny Mahamasina, omaly ireny. Raha tsiahivina dia manodidina ny 150 ireo kamera mpanara-maso naparitaka teto Antananarivo iny omaly iny ary 15 no naparitaka tao anaty sy ivelan’ny Mahamasina. Ny tena tsy nampoizin’ny olona dia ny aro fitaratra niarovana ireo tompon’andraikitra ambony nandritra iny matso omaly tetsy Mahamasina iny izay niteraka resabe tanaty tambajotra sosialy hoe inona no antony ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT