Adihevitra be hatrany ary koa ady an-taratasy nandritry ny fotoana ela ny momba ny raharaha 07 febroary. Farany teo dia nolavin’ny «Chambre d’accusation» ny fangatahan’ny mpiaro ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny amin’ny tsy handraisan’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava tsotra (Cour Criminelle Ordinaire) ny raharaha.
Taorian’izay indray dia nampakatra teo anivon’ny «Cour de cassation» izany fangatahana izany ny Me Hanitra Randriamanantsoa izay mpisolovava an’i Marc Ravalomanana. Raha ny tokony ho izy, raha ny fanazavan’io mpisolovava io, dia tsy ho raikitra ny 23 jona arak’izay daty efa voatondro ny fitsarana. Ny antony dia noho ny mbola fisian’ny fangatahana voalaza etsy ambony izay tena zon’ny voampanga ny mangataka azy. Na teo aza anefa izany, raha araka ny vaovao azo tetsy sy teroa, dia toa ho raikitra ihany anio io fitsarana io. Amin’ny valo sy sasany raha araka ny vaovao azonay no hanombohan’io. Marc Ravalomanana, Ralitera Andrianandraina, ny Jeneraly Raoelina, Kolonely Raoeliarison ary ny Komisera Rakotovao Nambinintsoa. Hatreto aloha dia vonoan’olona sy fikasana hamono olona anatina vela-pandrika ny vesatra hanenjehana ireo olona ireo izay voarohirohy ho tompon’andraikitra tamin’ny «sabotsy mena».
Fantatra ihany koa fa jeneraly roa hafa dia ny Jeneraly Rabemananjara Charles, praiministra teo aloha, sy ny Jeneraly Pily Gilbain, lehiben’ny zandarimariam-pirenena, samy tamin’ny andron’ny fitondrana teo aloha, no hitsangana ho vavolombelona amin’ity raharaha ity. Tsy fantatra loatra hatreto hoe vavolombelona amin’ny inona na amin’ny inona. Saingy ny mety ho fandehan-javatra hitranga dia ny fiarovan’ireo ny rambony tsy ho tapaka. Tsiliantsofina no andrenesana fa ho avy eny Anosy ny Praiministra teo aloha ary hanao fanambarana amin’ny mpanao gazety izy aorian’ny fitsarana, na misy na tsy misy fitsarana anio. Handeha ve ny fitsarana anio ? Raha handeha ihany dia marina ny filazan’ny mpisolovava an’i Marc Ravalomanana fa tsy arahina intsony ny «procédure» na ny paikady tokony ho izy. Ny ministeran’ny fitsarana no arahina fa tsy ny tokony ho izy amin’ny resaka fitsarana. Ho hita eo anio…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.