Actualités

Rah-Ckiky MD ao Ambalatavoahangy


  • Alakamisy 04 Oktobra 2012

Voarohirohy amina fakana tany manan-tompo tao Tsararivotra Betainaomby-Toamasina i Rah-Ckiky ary dia nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy nanomboka ny zoma teo.

 Raha iverenana ny tantara dia nanangana fikambanana antsoina hoe “Malagasy tsy Tia Raha Ratiraty (Ratsiratsy) ity mpanankanto mpihira ity. Nanaovany antso ny hizarana ny tany goavambe an’ny orinasa SOSIMEX ao Tsararivotra Betainaomby. Volana jolay 2012 tamin’io. Novoiziny tamin’izay ny hoe : “Aoka mba hanana ny anjarany eto amin’ny taniny ny vahoaka madinika, fa tsy hanjakan’ny vahiny sy ny mpanam-bola lava izao ny tanim-bahoaka. Aiza koa orinasa iray hanana tany goavambe tahaka izao raha tsy nangalatra na koa isan’ireo mpanjanantany teo aloha, ka tsy azo ekena izany”. Karapanondrom-pirenena miampy taratasy fanekena fa tena hanorina trano marina, no hany nilaina nandritra ny fizarana ny tany, miampy fandoavam-bola izay tsy voamarina mazava fa ny loharanom-baovao no nahalalana fa manodidina ny 1.000.000 Ariary no nanoloan’ireo “vahoaka madinika” ireo, nahazoana anjara tany tao Tsararivotra Betainaomby ity.

Anarana CST iray no nentin-dRah-Ckiky sy ananany karatra nanao izao fihetsika izao, ary fanohizana ny asa nataon’ny minisitra mponina teo aloha koa, araka ny filazany. Nitory noho ny fidirana an-keriny tamin’ny taniny anefa ny tompontany, ary nandresy. Nandefa vadintany izy nanala ireo olona vao tonga ireo. Nofefen’ny tompony ilay tany taorian’izay, nefa ity fefy natao ity mihitsy no noravan-dRah-Ckiky ny volana aogositra teo ka nahatonga azy nifampitadiavana tao Toamasina rehefa nitory azy ny SOSIMEX. Tsy nifarana hatreo anefa ny raharaha, fa nitory azy koa ireo “vahoaka madinika” nomeny toky fa hahazo ny tany ireo.

Izay raharaha rehetra izay, fidirana amin’ny tany manan-tompo, fanimbana fefy tamina tanin-olona, fisandohana ara-bola, fanararaotam-pahefana, no nahatonga ny fanadihadiana natao taminy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny zoma 28 septambra teo ny raharaha. “Miandry fitsarana ao am-ponjan’Ambalatavoahangy” aloha no didin’ny fitsarana azon-dRah-Ckiky.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT