Vaomieram-pirenena tena mahaleotena momba ny fifidianana ny CENI, ary ny Bianco kosa, dia Birao Mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly.
Manana ny fahaleovantenany tokoa angamba ireo rafitra roa ireo, saingy indraindray toa mampametra-panontaniana ihany hoe : sao dia anarany fotsiny ? Aiza ve ka olom-panjakana ambony, dia loholona no mandeha mitandroka ny mpiasan’ny Bianco hamoaka olona voarohirohy amina kolikoly avo lenta. Mandeha ny tsindry isan-karazany ary tato ho ato izay dia tena nanakiana mafy ny Bianco ireo olona akaiky ny fitondram-panjakana. Tsaroana ihany koa fa efa tany amin’ny volana oktobra 2017 no tsy sasatry ny nilaza ny CENI, fa tokony ho fantatra mazava ny datim-pifidianana. Nitazarazoka ny governemanta, ary efa karazan’ny kajy natao mihitsy izany. Nilaza fa mbola naka ny hevitry ny olom-pirenena, ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika mba handrafetana ny lalàm-pifidianana, saingy io miteraka korontana io. Miverina ny fomba maloto tamin’ny fanaovana ny lalàna mifehy ny serasera, izay hafa no nifanarahana ary hafa no narafitra ho lalàna. Tombanana avy hatrany ho sarimihetsika fotsiny ny fakan-kevitra natao matoa misy ny fijoroan’ny herivelona maro eto amin’ny firenena hanohitra azy io. Nolalaovina ny fotoana, ka taty aoriana vao mody may volon-tratra fa misy fe-potoana tsy maintsy henjehina. Mihevitra izany izao ny fitondrana fa handeha mora foana ny kajy maloto rehetra taorian’ny nandanian’ny loloholona ny lalàna ? Mbola maro ny mety ho olana amin’io resaka lalàm-pifidianana io. Raha ny voafaritra, dia izay feno 18 taona katroka ny 31 janoary 2018 teo no afaka mifidy. Ny fifidianana anefa vinavinaina ho any amin’ny volana novambra. Mety ho azo atao ve ny mametraka fepetra vaovao hanokafana indray ny lisi-pifidianana sa hoverezin-jo ireo feno 18 taona nanomboka ny 01 febroary 2018 ? Mbola maro ny zavatra mila alamina, saingy mody dodona ny fanjakana satria manomboka mazava ny lalan-kizorany amin’ny kajikajy politika maloto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.