Actualités

Rafalimanana Hery Handinika ny hatao amin’ny vahoaka raha mitohy izao…


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Nihetsika ny Pds na ny filohan’ny delegasion’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra tany aloha, Atoa Hery Rafalimanana ka nitondra ny tsirambin’ny tanany ho fanampiana ireo traboina ao amin’ny fokontany FAAMI na Antsahalovana-Antohomadinika Miray ny faran’ny herinandro teo.

Sady ho famaliana ny antso, hoy izy, no fahatsapana koa ny zakain’ny vahoaka ao anatin’izao fahavoazana izao no nanaovana ezaka manokana hanampiana azy ireo araka izay vita. Efa zatra nitakosona tamin’ny mponina tety amin’ny Faritra iva sady zanaky ny ambany tanàna rahateo ny tena, hoy izy, ka mahafantatra tsara ny tena manjo azy ireo amin’izao zava-misy izao. Fianakaviana 800 latsaka kely tamin’ireo 1500 mahery traboina eny an-toerana no nahazo ny anjarany avy tamin’ny vary 2 taonina natolotr’ity Pds taloha ity ka ny fokontany tao an-toerana ihany no niandraikitra ny fizarana izany. Manaraka akaiky ny fitantanana ny tanàna eto Iarivo ankehitriny ny tenanay amin’ny efa naha mpitantana ny tanàna teo aloha anay ary manana traikefa amin’izany ka milaza fa tokony ho efa nivonona amin’ny toe-javatra mpitranga saika isan-taona tahaka izao ny tompon’andraikitra hisorohana ny zava-manjo tafahoatra miantraika any amin’ny vahoaka. Efa nahavita drafi-pandaminana an’izany izahay sy ny mpiara-miasa tamiko, hoy izy, saingy tsy izahay izao no eo amin’ny fitantanana ny tanàna ka ny andraikitra tandrify anay eo amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny vahoaka ihany no azonay atao ankehitriny ary izao atao ankehitriny izao. Fotoanan’ny fandraisana andraikitra ho an’ny mpiara-belona izao fa tsy fotoanan’ny fifampitsikerana, hoy i Hery Rafalimanana. Tsy mbola fotoana fieritreretana ny filatsahana hofidiana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra izao, hoy izy, saingy tsy maintsy handinika izay hataony ihany izahay rehefa mahita ny fahapotehana miseholany loatra eto amin’ity tanàna ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT