Actualités

Rado Rabarilala Sendikalista “Olona mahay mifandray amin’ny vahoaka no ho tompon’ny ampitso”


  • Alarobia 26 Jolay 2017

Feno roa taona katroka amin’izao volana jolay 2017 izao no nanombohan-dRado Rabarilala sendikalista ao amin’ny orinasa Air Mad sy ny namany ary nampiatoana azy ireo tamin’ny asany avy.

Tsy  mbola miasa izy ireo hatreto na efa nisy didy nivoaka namerina azy ireo handray ny asany aza. Nambarany tenanyanefa fa tsy resy izy ireo amin’ny tolona himasoana dia ny fiarovana ny foto-kevitra tsy fetezan’ny fitantanana ao amin’ny orinasa ary tsy voavidy vola araka ny eritreritry ny sasany. Nambaran-dRado Rabarilala fa ny tolona atao dia maharitra ary miandalana fa tsy azo  hikoropadropahana. Nolazainy ihany koa fa tsy ny manampahaizana sy maranitsaina akory no ho tompon’ny ampitso eto Madagasikara fa izay olona mahay mifandray amin’ny vahoaka (capacité d’adaptation). Mihoapampana loatra ny fandaniana ataon’ny mpitondra fanjakana eto amintsika ankehitriny nefa ny vahoaka tena sahirana. Mila mandray andraikitra daholo ny Malagasy tsy an-kanavaka mba ho tombontsoan’ny besinimaro ary ho fanatsarana ny fari-piainan’ny tsirairay, hoy izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT