Miverina ho mpiasa ara-dalŕna eo anivon’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Air Madagascar ilay mpitarika sendikaly Rado Rabarilala sy ireo telo lahy niara-voaroaka taminy taorian’ny hetsika sendikaly,
nitohy tamin’ny fitakiana ny fialan’ny minisitry ny fitaterana Andriantiana Jacques Ulrcih, ny filohan’ny Filankevi-pitantanana tamin’izany, Henry Rabary-Njaka, ny Tale jeneraly tamin’izany Haja Raelison ary ny Tale jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) Andrianalisoa James. Didim-pitsarana nivoaka ny zoma lasa teo no mamerina azy efa-dahy mpitarika ny fitakian’ny mpiasa ireo eo anivon’ny Air Madagascar indray ary misitraka feno ny zo sy tombontsoa fandrainy hatramin’izay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.