Actualités

Radion’ny Gasy Mbola re eo amin’ny mari-drefy FM 89.6


  • Talata 25 Mey 2010


Zary resabe ny amin’ny filazan’i Augustin Andriamananoro sy Nathalie Rabe raha nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Soanierana izy ireo ny tolakandron’ny zoma 21 mey lasa teo nitondra fanazavana mikasika ny raharaha Radio Fahazavana, izay nakatona ary nogiazana ny fitaovany, na tsy nampahafantarina ny tompony, dia ny FJKM aza ny lisitr’ireo fitaovana nalaina sy nogiazana ireo. Tamin’izany dia nilaza mazava i Augustin Andriamananoro fa tratra tao amin’ny radio Fahazavana ny “émetteur” an’ny radio piraty mandefa eo amin’ny maridrefy FM 89.6. Nambara mihitsy aza moa fa antony anisan’ny anenjehana ny radio Fahazavana io fampiantranoana radio piraty io. Ny mahagaga anefa dia amin’ny fotoana nivoahan’ny fanazavan’ireto Minisitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ireo tamin’ny haino amanjerim-panjakana indrindra no mandeha io radio nambara fa tratra io ny “émetteur”-ny ary betsaka no milaza fa hatramin’ny omaly dia mbola mandeha ary re eo amin’io maridrefy FM 89.6 io izany radio izany. Ka inona no marina amin’ity raharaha ity ? Nosavaina nanontolo andro ny tranon’ny filoha Marc Ravalomanana tao Faravohitra, fa hoe tao no noheverina ho nampiantrano io Radion’ny Gasy io. Niala nenina ny teknisianin’ny OMERT niaraka tamin’ny vaditany nisava ny trano rehetra tao anatin’ny ora-nikija tamin’izay, saingy tsy nahita na inona na inona. Nanamafy ireo iraka nanatontosa ny fisavana fa ao io radio io no mianga, etsy an-kilany anefa maro no milaza fa mandre ilay radio mandeha. Nitohy tamin’ny 20 mey indray ny fisavana, nanomboka teny Faravohitra, nitohy teny Imarivolanitra. Nilaza ampahibemaso ireo  minisitra tompon’andraikitra fa hitan’izy ireo ary efa nogiazana ny “émetteur”-n’io radio piraty io. Mbola mandeha mandraka ankehitriny anefa ilay onjam-peo, ka eo no manitikitika ny amin’ny tiana hahatongavana manodidina ireny fanambarana ireny.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT