Actualités

Radio sy Tele Varatraza Mandrahona tsy hanao ampitampitao sy vaovaom-paritra


  • Talata 04 Mey 2010


Tao anatin’ny savorovoro no nentin’ny mpiasan’ny Radio sy Tele Varatraza, radio sy telem-paritra ao Antsiranana nanamarika ny “03 mey”, andro iraisam-pirenena ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Marisarisa ny fifandraisan’ny mpiasa, izay mpampahalala vaovao ny ankamaroany, sy ny mpitantana ary tonga hatrany amin’ny fifampiangana amin’ny lafiny fitantanana ny resaka. Mifanao ankolafy ny mpiasa vokatr’izany. Nisy ampahany amin’izy ireo re fa nandefa taratasy any amin’ny minisitry ny serasera ao amin’ny governemantan’ny FAT, Nathalie Rabe ny 29 aprily 2010 mitaky ny tokony handraisana fepetra manoloana ity disadisa ity. Lasa lavitra ny resaka ankehitriny satria re fa nanapa-kevitra ireto mpiasa ireto fa tsy handray ary tsy hanatanteraka baiko avy amin’ny Tale izy ireo. Mandrahona ny tsy hanao ampitampitao sy vaovaom-paritra ary ny vaovao amin’ny radio sy fahitalavitra ao an-toerana ihany koa ny mpiasa manomboka amin’ity talata 4 mey ity raha tsy misy fanapahan-kevitra raisin’ny minisitera manoloana ity disadisa mampihisatra ny asa ity. Milaza ny tsy hijanona eo ireto mpiasa ireto raha tsy misy fanapahan-kevitra indray ny alarobia 5 mey, hiova endrika hafa ny fitakina ary hiha mafimafy kokoa, araka io taratasy nalefa io, izay feno sonia marobe.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT