Actualités

Radio Mahafaly Antsirabe Tratry ny antsojay sahady !


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Nampametra-panotaniana ny maro ny fanakatonana ny Radio Mahafaly Antsirabe 106.6 FM tampotampoka satria dia ny alakamisy 08 septambra, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva no nanaovan’ny fitondrana FAT izany.

Ny antony moa dia tsy mazava, araka ny tatitra fa nambara fa tsy ara-dalàna fotsiny ity Radio eo ambany fitantanan’ny Ben’ny tanàna Olga Ramalason ity. Araka ny fantatra anefa dia efa vita avokoa ireo dingana rehetra takiana amin’ny fananganana haino aman-jery toy itony, ary efa teo am-pelatanan’ny mpitantana ny Radio ny fankatoavana avy amin’ny OMERT sy ny fahazoan-dalana hisokatra vao niasa izy ireo kanefa dia nakatona tampoka indray. Araka ny resaka mandeha dia avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra mihitsy ny nangataka ny tsy hisokafan’ity Radio ity ary niady mafy ny hikatonany na dia efa hitany aza ireo antontan-taratasy maha ara-dalàna ny Radio. Manam-pikasana ihany koa hanangana Radio ho azy ao Antsirabe koa mantsy, raha tsy efa mandeha, io tomponandraikitra ao amin’ny Faritra io.

Voalaza nandritra ny fanakatonana ny Radio Mahafaly io koa fa foana avokoa ny fahazoan-dalana rehetra nivoaka hatramin’ny taona 2009 no ho mankaty saingy mahagaga ny olona ao Antsirabe ny fisiana onjam-peo vaovao raisina amin’ny alalan’ny mari-drefy 104.4 FM indray taorian’ny nanakatonana ny Radio Mahafaly. Tsapan’ny olona ihany koa fa mitohy ny antsojay atao amin’ny ben’ny tanàna rehefa tsy voapetraka ny PDS, ary dia nisaoty tamin’ny andraikiny mihitsy aza moa araka ny fantatra ny lehiben’ny Distrika Antsirabe I. Mety ho izay tsy nahavita baolina izay angamba ary efa handray ny asany ato ho ato ny ho solony ka asa raha hitohy indray ny fanalana ny ben’ny tanana ao Antsirabe ao. Mbola tantara mitohy. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT