Mifoha amin’ny torimasony ireo radio tsy miankina nanamarika ny fiandohan’ny taona 90 teto Antananarivo Renivohitra
. Taorian’ny niverenan’ny Radio Korail izay niofo ho i-BC saingy mbola renesina eo amin’ny onjam-peo 90FM dia efa manomboka mamoaka feo koa izao eo amin’ny mari-drefy 105FM ny Radio Feon’ny Vahoaka. Ny RFV no radio tsy miankina voalohany teraka nandritra ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1991, ary nanomboka nandeha ny 3 aogositra 1991, niaraka tamin-dRaliarison Jean Victor mpanao gazety sy ry Alain Ramaroson.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.