Actualités

Radio Fahazavana Tazomin’ny BC hatrany !


  • Alarobia 26 Mey 2010


Fito andro anio sahady izany izao no nitazonan’ny sampandraharahan’ny polisy miandraikitra ny heloka bevava (BC) ireo mpanao gazety sy teknisian’ny Radio Fahazavana izay nosamborina tao amin’ny toeram-piasany ny alin’ny alakamisy 20 mey teo. Raha ny sabotsy 22 mey no noheverina hatolotra ny Fampanoavana izy ireo dia tsy izany velively no zava-nitranga. Mbola misy olona tian’ireo hotononina mantsy ka hosamborina amin’ity raharaha FIGN ity, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Hatreto aloha dia fandranitana ireo miaramila mba hikomy (mandra-pahazoana ny vaovao ofisialy) no vesatra hitazonana azy ireo. Raha tsiahivina dia mitokona tsy mety mihinan-kanina izy fito mianadahy efa ho andro maromaro izay. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT