Actualités

Radio Fahazavana Nolavina hatrany ny fahafahana vonjimaika


  • Alarobia 16 Jona 2010

Omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina no nigadona teo amin’ny lapan’ny Fitsarana ny fiaran’ny fonjan’Antanimora izay nitondra an’i Philémon Raveloarison sy i Tiana Maharavo izay samy mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana.

Nohainon’ny mpitsara zokiolona izy roa ireo, mazava ho azy fa mahakasika ny fanadihadiana ifotony momba ilay raharaha FIGN izay nahavoarohirohy azy sy ireo namany mpanao gazety ary teknisianina hafa izay samy miasa eo anivon’io radion’ny fiangonana FJKM io. Naharitra adiny roa teo ny fanadihadian’ny mpitsara azy roa. Naverina teny Antanimora izy ireo rehefa vita izany. Izay no manazava fa mbola nolavina hatrany ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ireto mpanao gazety ireto. Anio, araka ny vaovao azonay teo anivon’ny Fitsarana ihany, dia mbola hitohy ny fihainoana ireo mpiasan’ny haino aman-jery izay voarohirohy tamin’iny resaka FIGN iny. Mbola misy enina ambiny mantsy no tsy mbola nohainoan’ny mpitsara. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT