Actualités

Radio Fahazavana Nolavina hatrany ny fahafahana vonjimaika


  • Alarobia 09 Jona 2010


Niakatra tao Anosy omaly ireo mpanao gazety enina mianadahy izay miasa eo anivon’ny Radio Fahazavana. Fanadihadiana ifotony, raha araka ny vaovao azo tao amin’ny tribonaly, no anton’io fitondrana azy ireo io. Tsy nisy nipika loatra ny tao satria samy mitandrina ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana avokoa ny rehetra. Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola nolavina fanindroany indray ny fangatahana fahafahana vonjimaika izay nataon’ireto olon’ny haino aman-jery ireto. Naverina soa aman-tsara teny Antanimora, arak’izany, izy ireo rehefa vita ny fanadihadiana azy tetsy Anosy. Mbola omaly ihany koa no nentina tao Anosy natao fanadihadiana ifotony ny olon’ny FIGN roa izay voampanga ho nikomy tamin’ny 20 mey. Ireto farany indray dia naterina teny amin’ny toerana niaingany, izany hoe teny Tsiafahy, rehefa vita ny fihainoan’ny mpitsara azy ireo.

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT