Actualités

Radio Fahazavana Mpanao gazety efatra sy teknisianina roa nosamborina ary tanana ao amin’ny BC Anosy


  • Zoma 21 Mey 2010

Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana latsak’alina ny foiben-toeran’ny Radio Fahazavana, radion’ny fiangonana FJKM. Tokony ho tamin’ny folo ora alina no nigadona tao ny fiara 4x4 maromaro.

Hanao fisavana trano no nahatongavan’izy ireo. Naharitra antsasakadiny teo izany. Ny lalàna aloha milaza fa amin’ny andro mazava mialoha ny amin’ny enina ora hariva no fanatanterahana izany raha ny tokony ho izy. Tsy fantatra mazava koa raha nitondra taratasy ahafahana manatanteraka izany ireto andia-miaramila ireto. Ny zava-nisy kosa dia mpanao gazety efatra, Lolot Ratsimba, Josiane Ranaivo, Jaona Raoly ary Philémon Raveloarison miampy teknisianina roa no nentin’izy ireo nanaraka azy, nihazo ny BC Anosy niaraka amin’ny fitaovana maromaron’ny Radio Fahazavana. Hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy fantatra mazava ny antony nisamborana ireto mpanao gazety ireto sy ny teknisianina. Talohan’izao, tsiahivina ihany fa noraran’ny mandritra ny iray volana tsy hahazo handefa vaovao sy ny fandaharana «Apenjika» ihany koa ny onjampeo Fahazavana ny 21 desambra 2009. Ho an’ny mpanara-baovao dia voatohintohina indray ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahan’ny mpanao gazety, izay vao herinandro izay no nisy ny tranga Fréquence Plus.

Nitohy tamin’ny fisavana trano teny Faravohitra ny raharaha teny amin’ny FIGN omaly. Nosavain’ny andiana miaramila avokoa na ny foiben-toeran’ny radio Fahazavana na ny tranon’ny filoha Marc Ravalomanana. Nanaitra ny maro ihany ny anatanterahana izany amin’ny andro alina, satria toerana tsy misy mipetraka ka ahiana hisy olona hiafina ireo toerana ireo.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT